Asabotsy 3 Avrily 2027
Dia hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampahaladina ny sofin’ny marenina. Dia … hihoby ny lelan’ny moana. Isaia 35:5-6
Dia talanjona indrindra ny olona, ka nanao hoe : Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra ; fa sady mampalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana. Marka 7:37
Ny filazantsara nosoratan’i Marka dia mitantara amintsika ny fahagagana nanasitranan’i Jesosy olona iray marenina sady moana (Marka 7:31-37).
Niara-niasa nandritra ny taona maro tamina vehivavy iray marenina aho, ka afaka nahita kely ny toejavatra iainan’ireo izay tsy mba manana ny anjara mahatalanjona hoe afaka mihaino. Ankoatra ny fahasahiranana mafy aoka izany eo amin’ny fifaneraserana, dia manampy trotraka koa ny tsy faharenesana ny tontolo mampitolagaga omen’Ilay Mpahary eo amin’ny voary, toy ny hiran’ny vorona, ny fisononokan’ny rano eny an-doharano, ny fitsiokan’ny rivotra. Vahiny tanteraka ihany koa amin’ny tontolon’ny mozika ny olona lalodalovana, voahidy ao anatin’ny fanginana, ka mahatsiaro tena ho hadino…
Rehefa nitety ny tany Jesosy, nampianatra ny vahoaka, io lehilahy marenina sady moana io kosa dia nijaly noho ny kilemany, nefa ny olona rehetra nahare „ny tenin’ny fahasoavana naloaky ny vavany” (Lioka 4:22). Angamba izy nahafantatra zavatra kely momba an’i Jesosy. Ny namany no nitondra azy ho eo amin’i Jesosy, Izay nandray azy manokana sy nanasitrana azy. Jesosy no olona voalohany afaka henon’ilay marenina moana sy afaka niresahany !
Hay atao ve ny mandre ny tenin’ny Kristy ankehitriny, teny mamela heloka, manasitrana, manafaka… ? Vakio ireo filazantsara, dia ho hitanao ao ireo tenin’ny Kristy, teny mbola manan-kery sy velona toy ny taloha. Imbetsaka ny Tompo no niteny tamin’ny vahoaka hoe : „Raha misy olona manan-tsofina hoenti-mihaino, aoka izy hihaino” (Marka 4:23). Ianao ve dia hitoetra ho marenina tsy hihaino ny Filazantsara mandraka ankehitriny ? Raha izany dia hamarino, amin’ny famakiana izany, fa te hanasitrana anao amin’io tsy fandrenesana ara-panahy io Jesosy Kristy… izany no niainan’ilay vehivavy mpiara-miasa amiko, izay mpino !