Zoma 2 Avrily 2027
Ary nisy nitondra zazakely ho eo aminy mba hametrahany tànana ; fa ny mpianany niteny mafy ireny. Nefa tezitra Jesosy, raha nahita izany, ka hoy Izy taminy : Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza rarana. Marka 10:13-14
Ny mpianatr’i Jesosy dia niteny mafy ny olona nitondra ny zanany teo amin’i Jesosy (Marka 10:13-16). Nihevitra ve izy ireo fa lehibe loatra Jesosy, ka tsy afaka mijery azy ireny ? Nandray ny ankizy madinika teny an-trotroany Izy, ary nitsodrano azy ireo. Niteny mihitsy aza Izy hoe izay tsy manana finoan’ankizy dia tsy afaka hiditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Manan-danja amin’i Jesosy ny ankizy.
Tamin’izany fotoana izany, ny boka dia tsy maintsy nitoka-monina, tsy nokasihina satria natahorana hamindra ny habokany. Nefa Jesosy nikasika azy ireny ary nanasitrana azy (Matio 8:1-4). Manan-danja amin’i Jesosy ny olona marary na nailika.
Jesosy dia jiosy, ary tamin’ny vanimpotoanany dia tsy nanana fifandraisana firy tamin’ny Samaritana ny Jiosy. Nefa Izy dia niresaka olona mahery fo iray, izay Samaritana (Lioka 10:25-37). Niresaka tamina vehivavy Samaritana iray koa Izy, nampahafantatra azy hoe iza moa Izy. Avy eo io vehivavy io dia niresaka Azy tamin’ny mpiara-monina taminy (Jaona 4:1-42). Manan-danja amin’i Jesosy ny olona hafa kolontsaina na hafa fiaviana.
Imbetsaka Jesosy no nikarakara ireo izay tsy noraharahain’ny olona tamin’izany fotoana izany : ny marary, mahantra, vahiny, vehivavy, ankizy madinika, mbamin’ireo rehetra noheverina ho ambany loatra ka tsy mendrika ny fitiavan’Andriamanitra. Noraisiny izy ireny, nositraniny, nampianariny ; ary nasainy nanao toa Azy koa ny mpianany. Ny kristiana tamin’ireo taonjato voalohany dia nikarakara marary, zaza menavava nariana, mahantra ; ary nanorina toeram-pitsaboana. Dia nitory ny Filazantsara tamin’izy ireo.
Ary isika kristiana amin’izao taonjato faha-21 izao, ndao hanao tahaka azy ireo !