Alakamisy 1 Avrily 2027
Ary Andriamanitra nanao hoe : Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika. Genesisy 1:26
Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy. Romana 5:8
„Inona moa ny olona ? Avy aiza izy ? Ho aiza ?” Efa taonjato marobe ny olombelona no nametraka ireo fanontaniana ireo, saingy tsy afaka namaly izany. Hoy i Aristote : „Miohatra amin’ny zavaboary hafa, dia ny olombelona irery no manana fahatsapana momba ny tsara sy ny ratsy, ny marina sy ny tsy marina, ary ireo fihevitra hafa momba ny fitondrantena”. Blaise Pascal dia nihevitra fa ny olona dia „biby be mampatahotra tsy hay takarina”. Henjana izany fiteny izany, nefa milaza zavatra betsaka momba izay ratsy vitan’ny olona ! Ahoana moa ilay zavaboary eto an-tany hany mahalala ny tsara sy ny ratsy no afaka ihany koa manao zava-mampihoron-koditra maha mendrika ny iantsoana azy hoe „biby be mampatahotra” ?
Mamaly sy manazava izany fifanoherana izany ny Baiboly. Ny olona no zavaboarin’Andriamanitra nataony tahaka ny endriny, afaka mihetsi-po sy mahay misaina. Saingy dieny tany an-tsaha Edena izy dia nihodina tamin’Ilay Mpahary azy, tsy nankatò ankarihary, ary noho izany dia nametra-tena ho eo ambany fifehezan’i Satana. Nanomboka hatreo izy dia nirenireny, voaroridroritra eo anelanelan’ny fananana antoka hoe tsy biby toy ny biby hafa, sy ny tsy fahafahany manao ny tsara amin’ny herin’ny tenany samirery. Ao anatin’ny fahoriany aza izy dia manome tsiny an’Andriamanitra mihitsy, eo amin’ny toerana misy azy, hoe : „Mandra-pahoviana re vao hihodina tsy hijery ahy Ianao, ka mba hiala amiko ?” (Joba 7:19).
Misy lalan-kafa ahafahana mivoaka. Noho ny fitiavany tsy misy fetra, Andriamanitra dia nanome ny Zanany, Izay nisolo toerana antsika, nizaka ny fanasaziana ireo fahadisoantsika (Jaona 3:16). Rehefa mandray io tanana mitsotra io sady mino, dia mahita indray ny fifandraisana amin’Ilay Mpahary antsika, fifandraisana efa verintsika, ary koa mamaly indray mandeha tsy miverina ny fanontaniana momba ny niandohantsika.