Alarobia 31 Marsa 2027

Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany ; tahaka ny namelan’ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa. Kolosiana 3:13

 

Ny famelan-keloka dia manafaka izay manao izany

Marcel Poggioli, mpidoroka zava-mahadomelina teo aloha, dia nanoratra hoe : „Nisafidy ny hamela heloka ny raiko aho, hamela ny dokotera B., mbamin’ny fiarahamonina manontolo. Takatro fa ny famelan-keloka dia tahaka fitsaboana ratra iray, ka mahatonga izany hanako-pery. Ary na mbola mitoetra ao anatin’ny fanahiko ihany aza io tako-pery io, dia tsy mampangirifiry ahy intsony. Mifanohitra amin’izany aza, fa manampy ahy hitoetra ao amin’ny fankasitrahana Ilay nanome ho ahy fahasoavana mahatalanjona tena nandaitra.” Nanampy izy avy eo hoe : „Ho an’ireo rehetra mijaly anaty fahatanorana manamangana, ratra mafy loatra, fanafintohinana tsy hay leferina, famoizam-po tsy laitra zakaina, dia te hilaza aho hoe mbola misy mandrakariva ny vonjy, na ao anatin’ny toejavatra faran’izay ratsy aza. Na izany na tsy izany, ny finoana an’i Jesosy Kristy dia afaka manova ny hoavintsika, ary manokatra izany ho amin’ny fanatanterahana ny nofinofim-piainana tsara indrindra.”

Mampihetsi-po fatratra izany fijoroana ho vavolombelona izany. Fantatsika fa ny olona sasany dia efa niaina, na mbola miaina, toejavatra manokana mampihoron-koditra, mampangirifiry, tsy hay lazaina. Ny famelan-keloka dia tsy adidy tsy akory, fa safidy manokana, ekena atao an-kalalahana. Mba hinoana ny hery manafaka omen’ny famelan-keloka, dia ilaina ny mahatsapa fa navelan’Andriamanitra ireo fahadisoantsika rehetra. Ilaina ny tena mino an’i Jesosy. Izy no ohatra lavorary indrindra mampiseho ny famelan-keloka, rehefa nangataka an’Andriamanitra Rainy mba hamela ny helok’ireo mpampijalijaly Azy, tamin’ny fotoana nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana. „Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony” (Lioka 23:34).

Taomina ny kristiana hanahaka an’i Jesosy, tsy an-tery, fa an-kalalahana, omban’ny fanampian’Ilay Andriamaniny.