Talata 30 Marsa 2027
Mahatoky Ilay (Andriamanitra) efa nanao ny teny fikasana. Hebreo 10:23
Mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao … dia ny ho tia an’i Jehovah Andriamanitrao … ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy ; fa izany no fiainanao. Deoteronomia 30:19-20
Ny fitiavan’Andriamanitra ! Mba ho tiako raha tsy hisy olona tsy hiraika amin’izany, satria natao ho antsika rehetra izany. Andriamanitra efa nanome antsika porofon’io fitiavana tsy misy fepetra io, tamin’ny nanomezany antsika ny Zanany. Ary manatona antsika Izy, amin’ny fitiavana Ray, ao amin’izay rehetra mahangirifiry indrindra iainantsika. Ireo izay mamaly fitia Azy dia nomeny teny fampanantenana. Nefa inona moa no nampanantenainy ?
Tsy nilaza na oviana na oviana Izy hoe tsy hahatsapa ny fanaintainan’ny afo mandoro aho, na tsy hangovitra ao anatin’ny hatsiakan’ny ririnina. Saingy tsy handeha irery aho, na oviana na oviana. Toky nomeny izany. Tsy nilaza velively Izy hoe tsy hanafika ahy ny tahotra sy ny fisalasalana. Saingy hiady miaraka amiko sy ho ahy Izy. Toky nomeny izany.
Tsy nilaza na oviana na oviana Izy hoe tsy hisy ranomaso ho latsaka, saingy hitanty izany. Toky nomeny izany. Ary amin’ny fotoana iray, dia hiteny amiko Izy hoe : Aza mitomany intsony. Toky nomeny izany. Tsy nilaza na oviana na oviana Izy hoe tsy ho very hevitra tanteraka aho indraindray, saingy hanokatra lalana ho ahy Izy, amin’ny alalan’i Jesosy, Ilay lalana sy fahamarinana ary fiainana. Toky nomeny izany.
Ao anatin’ny haizina, dia ireo fampanantenana nomen’Andriamanitra no fahazavako, satria mahatoky Izy : tanterahiny izay nampanantenainy. Koa ndao hotsarovantsika ny toky nomeny, amin’ny fotoana rehetra ilantsika izany !
Ilay nanome ireny teny fampanantenana ireny dia Ilay Andriamanitra Mpahary ny aina. Koa na eo aza ny fahafatesana, dia antsoiny ho amin’ny fahavelomana isika. Izy dia manana hevitra „hahatonga fiadanana, fa tsy loza” (Jeremia 29:11). Manana hevitra ho ahy sy ho anao Izy. Mbola manakoako ao am-pontsika mandraka ankehitriny ny fitaomany hoe : „mifidiana ny fiainana” (Deoteronomia 30:19). Io Andriamanitra fitiavana io no mitaona antsika hifikitra aminy, hamaly fitia Azy. Te hampahita antsika ny halehiben’ny fitiavany Izy.
Ruth-Laure