Alatsinainy 29 Marsa 2027

Dia nanomboka hatramin’i Mosesy sy ny mpaminany rehetra Izy (Jesosy), ka nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra. Lioka 24:27

 

Sezafiandrianana na hazofijaliana

Indray alahady hariva, efa ho 2000 taona lasa izay, dia niala tao Jerosalema i Kleopasy sy mpianatr’i Jesosy iray hafa, mba hody any an-tanànany (vakio Lioka 24:13-35). Ny resaka nifanaovan’izy roa lahy dia naneho ny fahaverezan-kevitr’izy ireo sy ny alahelony. Efa telo andro lasa izao ny Tompony no nohomboana teo amin’ny hazofijaliana ; nanafintohina azy ireo izany, nampikorontan-tsaina azy, ka nampametraka fisalasalana azy ireo, momba izay rehetra nantenainy. Ny fahagagana nataon’i Jesosy tokoa mantsy dia nandresy lahatra azy ireo fa hiakatra eo amin’ny sezafiandrianana any Jerosalema Izy, ary handroaka ny mpanjanatany romana ! Nefa tsy sezafiandrianana no nomena Azy, fa hazofijaliana, nijaliany mafy indrindra, talohan’ny nahafatesany teo anelanelana jiolahy roa lahy. Tsy takatry ny sain’izy ireo ny zavatra vao nitranga, ka nampahory azy fatratra.

Roboka tanaty fahaverezan-kevitra izy roa lahy, ka zara raha nahatsikaritra Olona iray tonga mba hiara-dalana amin’izy ireo. „Ahoana izao teny resahinareo etỳ am-pandehanana izao ?”, hoy Ilay Olona. Niombona alahelo sy fahoriana taminy Jesosy —satria Jesosy tokoa io Olona io ! Dia nohazavainy tamin’izy roa lahy ny zavatra tsy takany, momba izay rehetra nambaran’ny Tenin’Andriamanitra mialoha, milaza Azy. Hazofijaliana ve fa tsy sezafiandrianana ? „Moa tsy tokony ho niaritra izany va Kristy ?”

Arakaraka ny nitenenan’i Jesosy tamin’izy ireo no nampisy hafaliana lalina, nisolo ny alahelony. Eny, nanaiky ho faty teo amina hazofijaliana Jesosy, mba handray eo amin’ny tenany ny sazy mendrika antsika noho ny ota, dia io faharatsiana manalavitra antsika amin’Andriamanitra io. Mbola manan-kery ankehitriny sy velona ny hafatra nolazaina an’ireo mpianatra roa lahy. Eny, Jesosy dia maty teo amin’ny hazofijaliana, mba hamonjy anao koa. Nitsangana velona indray Izy. Ary mandraka ankehitriny dia mbola mamonjy ireo rehetra mitoky aminy.