Alahady 28 Marsa 2027

[Jesosy] niseho koa tamin’ny famantarana maro taorianan’ny nijaliany fa velona Izy. Asan’ny Apostoly 1:3

Mahavonjy tokoa izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany Izy (Jesosy Kristy), satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy. Hebreo 7:25

 

Velona Jesosy !

Maty tany an-dranomasina (tamin’ny taona 1998) i Éric Tabarly, ilay tantsambo frantsay malaza. Namelabelatra ny nahafatesany ny mpanao gazety iray, nanoratra hoe : „Ny halehiben’ny olona iray dia refesina amin’ny banga ateraky ny fahalasanany”. Toy izany ny momba ny olombelona, na dia ny olo-malaza na mpanorina antokom-pivavahana aza. Ny fasan’izy ireny dia toerana fanaovana fivahiniana masina na fivavahana, nefa dia toerana manambara ny fahafatesany.

Fa tsy mba toy izany ny amin’i Jesosy Kristy. Afaka fotoana fohy dia nanjary foana ny fasany, vavolombelona moana nefa miteny ho azy, manambara ny nitsanganany velona indray. Hoy ny anjely tamin’ireo vehivavy tonga ny alahady maraina teny amin’ny fasany : „Aza matahotra ianareo ; fa fantatro fa Jesosy, Izay efa nohomboana tamin’ny hazofijaliana, no tadiavinareo. Tsy ato Izy, fa efa nitsangana” (Matio 28:5-6). Nahita Azy nitsangana velona indray ny olony, ary ankehitriny ny Fanahy Masina dia vavolombelona manambara izany ao am-pon’ny mpino rehetra.

Nitsangana velona indray Jesosy, porofo fa nankatoavin’Andriamanitra sy nankasitrahiny tanteraka ny sorona nataony teo amin’ny hazofijaliana, mba hitondra ny fahotantsika. Izany no fanorenana azo antoka, fototra iorenan’ny finoan’ny mpino rehetra. Izany no mameno fifaliana antsika : nanonitra izay rehetra fahadisoantsika ny Mpamonjintsika, ka ankehitriny Andriamanitra dia mandray ireny fahotana ireny ho efa voafafa tanteraka, sy mandray antsika ho zanany.

Velona Jesosy, porofo koa fa resy ny fahafatesana. Nakarina any an-danitra Izy. Ankehitriny izany dia misy Olona iray ao amin’ny fanatrehan’ny Ray, fanatrehana mahatalanjona. Vokatr’izany dia miova ny zavatra rehetra, ho antsika, satria fantatsika fa mifamatotra aminy amina aina iray isika, ary halainy ho any aminy, any ambony any. Miandry Azy isika, ary any an-danitra Izy dia miasa isanandro, hahasoa ny olony etỳ an-tany… mandra-pahatongan’io andro lehibe io.