Asabotsy 27 Marsa 2027

Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’Andriamanitra izay avony. Salamo 49:7

Tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin’ny fitondrantena adala… fa ny ra soan’i Kristy. 1 Petera 1:18-19

 

Tsy seky, tsy karatra manga…

Inona no fomba handoavam-bola ?

Indraindray isika dia sendra ny teny hoe : „Azafady, fa tsy mandray seky (taratasim-bola) izahay ; mankanesa arỳ amin’ilay milina fisintonam-bola tsy lavitra eto”. Any amin’ny mpivarotra sasany, dia tondroiny mazava hoe : „Karatra manga na lelavola ihany”. Indraindray dia manjary sarotra ny mandoa lelavola…

Misy itovitovizany amin’izany ny fidirana any an-danitra. Tsy mamela antsika hisafidy Andriamanitra, fa fomba tokana no atolony, mba hamohany ny varavarana, dia ny fanekena fa efa nisy Anankiray nanefa ny trosantsika, dia Jesosy Kristy, tamin’ny nanaterany ny tenany indray mandeha, ho sorona teo amin’ny hazofijaliana.

Olona maro no mino ny fisiana Andriamanitra Tsitoha sy ny maha zavamisy ny fiainana aorianan’ny fahafatesana. Mihevitra izy ireny fa afaka mampiasa fomba hafa hidirana, fomba hafa „hanefana” : fiainana tsy dia ratsy loatra, amin’ny ankapobeny, raha miohatra amina fiainana hafa, tsy nanao heloka bevava, manao asa soa tsy tapaka, manao fivahiniana masina an-tany lavitra be, nanolotra fanomezana hanaovana aza soa ho an’olona na ho ana fiangonana… Saingy izay asehon’ireny olona ireny dia tsy ahafahany velively miditra any an-danitra. Nataon’izy ireny ahoana Ilay Zanak’Andriamanitra ? Nametraka ny tokiny tamin’i Jesosy Kristy ve izy ireny fahavelony ? Ianao ve eo ambany fiarovan’ny rany latsaka teo amin’ny hazofijaliana ? Ny valin’ireo fanonaniana ireo, ary izany ihany, no mamaritra ny hoavinao mandrakizay. Tsy vidina ny fiainana mandrakizay, ary tsy azo noho ny fahamendrehana, fa fanomezan-dehibe avy amin’Andriamanitra. Mandray maimaimpoana an’io fanomezana io izay mivavaka tahaka ny voalaza ao amin’ny Filazantsara hoe : „Andriamanitra ô, mamindrà fo amiko mpanota” (Lioka 18:13).