Zoma 26 Marsa 2027
Ny teny ny amin’ny hazofijaliana dia fahadalana amin’izay ho very, fa herin’Andriamanitra kosa amintsika izay hovonjena. 1 Korintiana 1:18
Ireto misy fialan-tsiny vitsivitsy, matetika aroso mba handavana ny Baiboly sy ny hafatry ny Filazantsara :
Tsy azoko izay vakiko. Ny teny sasany ao amin’ny Baiboly dia sarotra takarina na toa tsy azo tsapain-tanana loatra. Noho izany, alohan’ny hamakiantsika ny Baiboly, dia ndao angatahina Andriamanitra, Ilay nanome ny tsindrimandry nanoratana azy, hanampy antsika hahatakatra izay lazainy. Nampanantena Izy hoe : „Izay rehetra mangataka no mahazo ; ary izay mitady no mahita ; ary izay mandondòna no hovohana” (Lioka 11:10).
Tsy mahaliana ahy ny fivavahana. Tsy boky famakafakana foto-pampianarana ara-pivavahana tsy akory ny Baiboly, fa mampihaona antsika amin’Ilay Andriamanitra tia antsika. Ny Baiboly dia miresaka amintsika ny amin’i Jesosy, Izay nampahafantatra antsika Ilay Andriamanitra velona. Hoy Jesosy : „Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray” (Jaona 14:9). Te hahafantatra ny amin’i Jesosy, Izay tia anao sy te hanatona anao, ve ianao ?
Milamina ny fieritreretako, olo-marina aho, tsy mila lesona fitondrantena. Hoy ny Baiboly : „Tsy misy marina na dia iray akory aza” (Romana 3:10). Manafintohina angamba izany, nefa amin’Andriamanitra, lainga kely fotsiny, eritreritra fitsiriritana dia fahotana mendrika sazy, ka tsy maintsy nanirahany ny Zanany mba ho faty teo amin’ny hazofijaliana. Tsy te hanome lesona fitondrantena antsika Andriamanitra, fa maniry hampahafantatra antsika kosa ny toetra maha mpanota antsika eo anatrehany, sy ny famonjena lehibe atolony antsika maimaimpoana.
Tsy mila an’Andriamanitra aho, ary indrindra Andriamanitra tsy hita maso, tsy mikarakara ahy akory. Raha tsy nijery antsika Andriamanitra dia tsy ho nanome ny Zanany mba hamonjy antsika ! Ny Filazantsara dia manaporofo ny fahalianany ny amintsika, mba hamonjeny antsika tsirairay avy. Valiny tandrify ny fitiavan’Ilay Mpahary antsika ve ny tsy firaharahana ?