Alakamisy 25 Marsa 2027

Misaora amin’ny zavatra rehetra ; fa izany no sitrapon’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy ho anareo. 1 Tesaloniana 5:18

 

Misaotra an’Andriamanitra ve rehefa ratsy fandeha ny zavatra rehetra ?

Mba tokony hisaotra an’Andriamanitra ve isika ? rehefa tsy mandeha araka izay tiantsika na antenaintsika ny zavatra.

Taomina isika hankasitraka izay omen’Andriamanitra : „Misaotra an’Andriamanitra Ray mandrakariva, noho ny zavatra rehetra” (Efesiana 5:20). Nefa mbola mandeha lavitra kokoa izany. Taomina ihany koa isika hisaotra an’Andriamanitra ao amin’ny toejavatra rehetra, na dia amin’ny fotoana sarotra mety hahakivy na hahasosotra antsika aza izay mahazo antsika.

Nahoana moa ? Mamaly ny Baiboly hoe : „Ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra” (Romana 8:28). Ataon’Andriamanitra miara-miasa hahasoa antsika ny toejavatra tsara, mbamin’ny toejavatra sarotra kokoa. Ireny zava-mitranga rehetra ireny dia miara-miasa hampitombo ny finoantsika, ary ahafahantsika manahaka kokoa an’i Jesosy.

Mampisaintsaina antsika izany. Tsy mety velona ny fiara, nisy tsy nampoizina nanery antsika hanafoana dia, nisy aretina namely mafy… Aoka hotsarovantsika fa miara-miasa ny zavatra rehetra mba hahasoa ireo izay tia an’Andriamanitra ! Te hampahery antsika Izy, satria tia antsika, ka mampahatsiahy antsika fa izay rehetra avelany hitranga dia mikendry tanjona tsara eo amin’ny fiainantsika. Matetika tsy takatsika eo no ho eo izany, nefa ny fiainana dia ahatsapantsika, indraindray rehefa elabe atỳ aoriana, fa nalahatr’Andriamanitra ny zavatra rehetra mba hitahiany antsika, mihoatra lavitra noho izay ho azontsika nantenaina na noheverina. Ry kristiana namana, ndao hisaotra an’Andriamanitra amin’ny toejavatra rehetra, na dia tsy araka izay ho nirintsika aza ny zava-mitranga !