Alarobia 24 Marsa 2027

(Hoy Jesosy :) Izaho no Mpiandry Tsara ; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho, dia tahaka ny ahafantaran’ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray ; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry. Jaona 10:14-15

 

Nitady ahy ny fitiavany

„Fony mbola ankizy aho dia nanaraka ny reniko tany amina fiangonana protestanta, saingy tsy nanintona ahy mihitsy ny lafiny ara-panahy tamin’izany fahazarana izany. Amiko dia tsy nidika na inona na inona izany. Rehefa tovolahy aho dia very, babangoana tsy tapaka ny tato am-poko. Nanaiky ho voataonan’ny hetsika „hippie” aho, ary nanao fihetsika sampontsampona (fihetsik’adala, hoy ny reniko) sy fiseho mifanaraka amin’izany : volo lava, pataloa mivelatra ambany, tratra mihanjahanja ; sady nanadonto saina tany amin’ny toeram-pandihizana amin’ny alina… ary nitoetra ho very hatrany !

Rehefa 18 taona aho dia namboraka ny olako tamina namana iray izay nanoro ahy „vondron’olona mety ho afaka manampy anao angamba”. Koa nandeha nanatrika „fivoriam-bavaka” iray aho, nandohalika, ary teo dia gaga ! Tsy vitan’ny hoe talanjona aho tamin’ny fahatsorana sy ny hafanampon’ny olona teo sy ireo hira, fa nahatsapa fanatrehana ihany koa. Imbetsaka aho no nitsangana mba hijery raha nisy olon-kafa teo !

Somary lasa eritreritra aho rehefa nivoaka… ary nanohy ny fiainako toy ny teo aloha. Indray andro, tany amina toeram-pandihizana rehefa alina, dia hoy aho anakampo : „Fa inona àry no ataoko eto ? Misy zavatra tsara lavitra fantatro, tsy misy na inona na inona intsony tokony hataoko eto !” Dia niverina tany amin’ilay vondrona kristiana aho, ka nahare resaka momba ny fitiavan’i Jesosy tonga tetỳ an-tany mba hifanena amiko, mba hampihavana ahy amin’Andriamanitra sy hanova ny fiainako. Izay tsy inona, tamiko, fa fomban-drazana fotsiny, dia nanjary zavanisy ; ka „eny”, hoy aho, tamin’io fitiavana io, nanapa-kevitra aho hino an’i Jesosy sy hanolotra ho Azy ny fiainako. Taona maro no lasa hatramin’izay, ary Jesosy kosa dia nanjary teo kokoa hatrany, ho ahy. Tsinontsinona aho, raha tsy misy Azy.”

Jean-Marc