Talata 23 Marsa 2027
Ny teny maro tsy ilaozan’izay ota ; fa izay mahatana ny molony no hendry. Ohabolana 10:19
(Hoy Jesosy :) Mianara amiko ; fa malemy fanahy (malefaka) sady tsy miavona am-po Aho. Matio 11:29
Isika ve indraindray, rehefa miresadresaka amin’ny hafa, tsy manana ilay fironana ratsy te hanana ny teny farany, na rariny ny antsika na tsia ? Tsy tiantsika ny toherina. Manontania tena isika, momba ny anton’izany fihetsika izany : tsy fahafehezan-tena ve, sa hambom-po, sa avonavona ?
Ry kristiana, rehefa tsapantsika ireny haratsian-toetra ireny, dia tsarovy ny Tompo Jesosy fony Izy nandehandeha teto amin’ity tany ity. Raha misy olona manana ny rariny mandrakariva, tsy Izy ve ? Izy no Ilay Mpahary, mahafantatra ny tsipiriany momba ny fahariany, anisan’izany ny eritreritr’ireo niresaka taminy. Izy no „fahamarinana” (Jaona 14:6). Na izany aza anefa, na oviana na oviana Izy tsy mba nanao izay hampanjakany ny fomba fijeriny, tsy mba nanery ny fieritreretan’ny olona. Ambarany ampahibemaso ny fahamarinana, nefa tan-kalemem-panahy mandrakariva, tsy nisy fanambonian-tena. Matetika aoka izany Izy no nifanatrika tamina mpanohi-kevitra mirehidrehitra sy ratsy saina ! Ireo izay niteny ratsy Azy ka niampanga Azy ho nanana demonia, dia novaliny tam-pahatoniana hoe : „Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy ? … Ianareo kosa mahafa-boninahitra Ahy” (Jaona 8:46, 49). Tatỳ aoriana, rehefa nosamborina Izy, dia tsy niloa-bava nanoloana ireo niampanga lainga Azy, satria hanolotra ny ainy ho famonjena ny olombelona.
Ndao hangatahina Andriamanitra hanova antsika, mba hitoviantsika bebe kokoa amin’Ilay môdelintsika, dia Jesosy Kristy, Ilay Lehilahy „tsy miavona am-po” (Matio 11:29). Manoloana ireo olona miresaka amintsika, mety ho mpanohitra tsy mino, dia hoy ny Baiboly amintsika : „Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana” (1 Petera 3:15).