Alatsinainy 22 Marsa 2027

Ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo. 1 Samoela 16:7

Miverena ianao … hoy Jehovah ; tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho ; fa mamindra fo Aho. Jeremia 3:12

 

Tena marina eo anatrehan’Andriamanitra

Eo amin’ny fifaneraseran’ny samy olona, dia mahazo antoka hanana fifandraisana mampitombo kokoa sy lalina kokoa, rehefa tena marina. Tian’Andriamanitra ihany koa ny hanana fifandraisana tena izy amintsika ! Ambarany antsika ao amin’ny Baiboly manontolo ny fankasitrahany „fahamarinana ao am-po” eo amin’ny fiainantsika (Salamo 51:6).

Mirona hanalavitra an’Andriamanitra ve aho ? rehefa mahatsiaro tena ho tsy dia metimety na nanao zava-dratsy, ary miandry ny ho tsaratsara kokoa vao hiresaka aminy. Tsy izany no tian’Andriamanitra ! Ao amin’ireo filazantsara, Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia nandray ireo izay nanatona Azy, araka izay maha izy azy ireo. Tamin’izany dia nisy vehivavy iray nitomany satria vao maty ny anadahiny, tsy niandry ny ranomasony hitsahatra, fa niankohoka teo an-tongotr’i Jesosy. Vehivavy iray hafa koa, fantatra hoe mpanota, nanatona an’i Jesosy, tsy nitady hanafina ny lasany ; nanaiky ny fibebahany Jesosy, fa tsy nanosi-bohontanana azy. Zakaiosy, mpamory hetra nataon’ny mpiray tanindrazana aminy tsinontsinona, dia tsy nanaiky ho voasakan’izany fanambaniana izany na ny hafohiny, mba hahita an’i Jesosy, ary nanasa tena ho any an-tranony Jesosy (jereo Jaona 11:32-36 ; Lioka 7:36-50 ; Lioka 19:1-10).

Tsy mila mitondra sarontava, eo anatrehan’Andriamanitra. Fantany ny ato am-poko. Azo lazaina ihany hoe mampahazo toky izany ; ela ny ela ka nisy afaka isehoako araka ny maha izaho ahy tsotra fotsiny izao ! Raha aminy, tsy misy endrika ivelany manodoka, tsy mila mamboamboatra endrika hafa, tsy mila mampiseho ny tsara indrindra ato amiko.

Koa aza miandry ho „kristiana tena tsara” isika, vao hiresaka amin’Andriamanitra. Manatòna Azy am-pahatsorana. Valiany amin’ny fitiavany ny fijaliantsika. Manoloana ireo tsy fahombiazantsika sy ny fibebahantsika dia mamela ny helotsika Izy, mampahery antsika, ary manome hery antsika indray.