Alahady 21 Marsa 2027
Fa hoy Jesosy taminy : Mandehana ianao, ry Satana. Matio 4:10
Rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly, dia nandao Azy izy aloha. Lioka 4:13
Rehefa nalain’i Satana fanahy i Adama sy Eva, dia resy intelo. Tsy nankatò an’Andriamanitra izy ireo, ka niteraka fijaliana sy fahafatesana ho an’ny zanak’olombelona ireo vokatra mampalahelo nambaran’Andriamanitra.
Rehefa nalain’i Satana fanahy Jesosy, dia nandresy intelo. Satana dia nanoloana Lehilahy tsy misy hokianina eo amin’ny fiankinany amin’Andriamanitra, eo amin’ny fatokiany sy fankatoavany Azy. Tamin’izany Jesosy dia nanome an’Andriamanitra ny haja tsy nomen’ny ray aman-drenintsika voalohany Azy. Niseho Izy mba handrava ny asan’ny devoly (1 Jaona 3:8) sy hanafaka ny olona amin’ny vokatra mampivarahontsana nateraky ny tsy fankatoavany. Nilaozan’i Satana aloha Jesosy, ary „nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy” (Asan’ny Apostoly 10:38).
Ny ohatra nasehon’i Jesosy, Ilay Lehilahy lavorary, dia ahazoan’ny kristiana tsirairay fahalalana lehibe :
— Jesosy dia niandrandra an’Andriamanitra tamin’ireo filany ara-drariny indrindra. Ndao koa isika hatoky tanteraka fa omen’Andriamanitra izay ilaintsika mba hivelomana.
— Satana dia matetika mitanisa vilana na amin’ny ampahany ny Tenin’Andriamanitra. Mandainga tsy misy tahotra na henatra izy. Nefa isika aza miady hevitra aminy mihitsy, satria fetsy kokoa noho isika izy. Ndao hampiasa ny Tenin’Andriamanitra, ny Teniny irery, rehefa mamaly azy. Ny Tenin’Andriamanitra mantsy dia manana fahefana tsy anoharana, ka tsy maintsy miondrika mandrakariva i Satana, eo anoloana teny tsotra roa : „voasoratra hoe”.
— Farany, aza maka fanahy an’Andriamanitra isika, izany hoe aza mitady hanaporofo fa marina ireo fampanantenany. Azo antoka ny teniny, ka „izay nolazainy dia hainy hatao koa” (Romana 4:21), satria Tsitoha Izy !
(tapitra)