Asabotsy 20 Marsa 2027
Izy (ny devoly) dia nampitoetra Azy teo an-tampon’ny tempoly ka nanao taminy hoe : Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, mivarìna any ambany any ; fa voasoratra hoe : „Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro Anao”. Lioka 4:9-10
Voalaza hoe : „Aza maka fanahy an’i Jehovah Andriamanitrao”. Lioka 4:12
Izao i Satana dia nitondra an’i Jesosy eny an-tampon’ny tempoly. Ary nambosy Azy hianjera any ambany any, izany hoe nikaika an’Andriamanitra hiaro ny Mesia. Ho amin’izany i Satana dia nitanisa andalana ao amin’ny Salamo 91 (and 11-12), fampanantenana miantefa amin’Ilay Mesia ho avy. Nefa toy ny fanaony matetika, dia tanisainy amin’ny ampahany ny tenin’Andriamanitra ; eto dia tsy nolazainy ny tohiny, manambara fa ho resy izy (and 13).
Tamin’io fanambosiana io i Satana dia nanantena hahalavo an’i Jesosy amin’„ny rehaka momba izao fiainana izao” (1 Jaona 2:16). Nefa tsy sitrapon’i Jesosy mihitsy ny hanaporofo ny tenany ho Ilay Mesia, amina fahagagana manafaka Azy eo imason’ny rehetra. Amin’ny fotoana voatendrin’Andriamanitra dia hanaiky Azy ho Ilay Mesia ny vahoakany. Alohan’izany dia tsy maintsy alamina eo anatrehan’Andriamanitra ny momba ny ota, amin’ny alalan’ny fahafatesan’i Jesosy eo amin’ny hazofijaliana.
„Maka fanahy an’Andriamanitra” ny manamarina fa manatanteraka tokoa izay nampanantenainy Izy. Nanao izany ny vahoaka Israely, tamina fotoana nampangetaheta mafy azy ireo : nihaika an’Andriamanitra hanaporofo fa mikarakara azy ireo (Eksodosy 17:1-7). Ny fihaikana an’Andriamanitra ve midika ho fahafantarana Azy ? Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia nitoky taminy lalandava. Izy ve, ny Teny, ny fahamarinana, dia hila mitsapa ny tenin’Andriamanitra mba hanamarinany izany ? Aza miahiahy isika, na oviana na oviana, amin’izay lazain’Andriamanitra.
Jesosy dia nanetry tena sy natoky ireo fampanantenan’Andriamanitra, ka nandresy ny fakam-panahy nahalavo ny ray aman-drenintsika voalohany, nilazan’i Satana hoe : „Ho tahaka an’Andriamanitra ianareo” (Genesisy 3:5).
(hifarana rahampitso)