Zoma 19 Marsa 2027
Na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te ho tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany. Filipiana 4:8
Bède le Vénérable (672-735) dia kristiana niaina tany avaratr’i Angletera tamin’ny vaninandro antenatenany, fanta-daza ho hendry sy tia vavaka. Nisy relijiozy mpitoka-monina vitsivitsy, hono, nanatona azy mba hangataka torohevitra aminy, satria niatrika ady mafy nanoloana ny fakam-panahy. Namaly azy ireo ilay olon-kendry hoe : „Zavatra efa niainako izany, ka fantatro izay lazainareo ! Zaraiko aminareo ny tsiambarateloko. Rehefa tonga mandondòna eo am-baravaran’ny foko ny fakam-panahy, dia tony aho mamaly hoe : Efa manana tompony ny toerana. Dia vita eo no ho eo ny resaka !”
Mety miaina izany koa ny kristiana, ankehitriny. Raha feno fitiavana ny Kristy sy ireo zanak’Andriamanitra ny fontsika, dia ho mora kokoa amintsika ny manilika ireo fakam-panahy eto amin’ity tontolo ity. Misy fifaliana tsara kokoa, ankafizintsika sy irintsika.
Ny andinin-tSoratra Masina androany dia mitanisa toetra mendrika samihafa. Raha mihevitra izay zavatra manana ireo toetra ireo isika, dia hahatakatra haingana izay tokony na tsy tokony hahaliana antsika sy hampiasana ny herintsika. Raha Kristy no mameno ny fontsika, dia tsy afaka hampiditra zavatra hafa ao ny devoly. Koa rehefa mandondòna eo am-baravarantsika ny fakam-panahy, dia hamaly tsotra fotsiny koa isika hoe : „Aza sasa-poana mandondòna, fa efa tafiditra ato Jesosy !” (Apokalypsy 3:20).