Alakamisy 18 Marsa 2027

Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko — Mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo. Isaia 55:3

Mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na amin’Andriamanitra na amin’olombelona mandrakariva. Asan’ny Apostoly 24:16

 

Mandray ny feon’Andriamanitra

Ity ramatoa zokiolona mifanolo-bodirindrina aminay, tsy mahare firy, dia nividy fitaovana fihainoana nohakelezina, tena raitra. Nampiriminy tanaty vatasarihana izy io, taoriana-na andrana maro tsy nisy vokany, satria naha sorena azy ny feo mikasaoka sy hiakiaka tsy laitrany. Angamba tsy hainy tsotra izao ny nampiasa azy…

Isika tsirairay dia nomen’Andriamanitra „fitaovana saro-pady” iray, ny fieritreretana, mba ho afaka mandray ny fiheviny eo amin’ny trangan-javatra rehetra iainantsika : ny fieritreretana dia toy ny hoe „ny feon’Andriamanitra”. Ny fitaovana fihainoana dia mety tsy hahomby, raha ratsy ny fomba fanitsiana azy. Tahaka izany koa, ny fieritreretana dia tokony hihazona ny fahafahany mandray, ary anjarantsika ny miambina ho amin’izany. Raha kitihina an-kery setra izy, na ampijaliana, na atao toy ny tsy misy ka toherina mandrakariva ireo fampitandremany, dia veriny ny tsy fivaonany sy ny fahitsiany.

Mifamadika amin’izany kosa, raha mihaino hatrany Ilay Andriamanitsika isika, mamaky tsy tapaka ny Teniny, ny Baiboly, dia hihazona ny hakingany, ny fahamarinany ary ny fahiratany ny fieritreretantsika, na inona na inona ireo tabataba manadonto eto amin’ity tontolo ity.

Ohatra, fotoana vitsivitsy izay dia nisy tompon’andraikitry ny filaminana eo amin’ny tanàna misy ahy, nahita teny an-dalana poketra feno vola be ary nanatitra izany tany amin’ny mpitandro ny filaminana. Hoy ny mpiara-miasa taminy iray : „Raha notazoninao ho anao ny vola, dia tsy ho nisy nahafantatra akory”. „Diso hevitra ianao, hoy izy namaly, nisy vavolombelona roa : Andriamanitra, Izay inoako, ary ny fieritreretako, izay ho nanome tsiny ahy amin’izany”.

Aza apetratsika anaty vatasarihana ny fieritreretantsika. Izy io dia namana manampy antsika hahare ny feon’Andriamanitra.