Alarobia 17 Marsa 2027
Andriamanitra ô, Andriamanitro Ianao ; mitady Anao fatratra aho ; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko eto amin’ny tany maina sy mangentana tsy misy rano. Salamo 63:1
(Hoy Jesosy :) Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro. Jaona 7:37
Maraina mafana amin’ny volana jona (any amin’ny ila bolan-tany avaratra). Avy nianatra ireto mpianatra vitsivitsy, faly nitangorona teo am-pantsakam-bahoaka mba hisotro rano ao anatin’ny tanany. Nisangisangy izy ireo, nifanondraka rano, nifanampy koa nihazona ny vava paompy rehefa misotro ny hafa, ary avy eo dia lasa nandeha indray, samy falifaly. Nahoana moa no soritsoritina io sehon-javatra feno fifaliana io ? Satria hita ombieny ombieny ao amin’ny Baiboly ny antony mahatonga hetaheta. Sary famantarana izany, fampitahana hezahintsika hazavaina.
Ny hetaheta ara-batana dia filana miverimberina, fantatry ny olona rehetra izany. Toy izany koa, matetika isika no mahatsapa fa tsy afa-po ny filantsika, „mangetaheta zavatra hafa” isika. Ny fiarahamonina misy antsika dia manolotra fahasambarana mihelina ihany, mahafaly antsika vetivety, saingy raha zohina, tsy mahafaka hetaheta firy : miverina mandrakariva ny hetaheta. Fa mangetaheta inona isika e ? Inona io filana tsy mety afa-po io ? Iza no ho afaka mampitony maharitra io hetaheta io ?
Mila mitia sy mila tiavina isika, mangetaheta fitiavana mampilamin-tsaina sy mitondra fiadanana, fitiavana ho eo koa rahampitso, tahaka izy eo androany. Manambara ny Baiboly hoe : „Andriamanitra dia fitiavana” (1 Jaona 4:16) ary tsy miova io fitiavany io (Malakia 3:6). Hoy Jesosy teo anilana fantsakana iray : „Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray ; fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy, dia tsy hangetaheta mandrakizay ; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny, ho fiainana mandrakizay” (Jaona 4:13-14).