Talata 16 Marsa 2027
Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Jaona 3:16
Efa hitantsika fa Andriamanitra dia masina sy marina aoka izany, ka tsy misy olona afaka mihambo ho mankatò Azy. Koa voaheloka avokoa izany isika rehetra. Nefa Andriamanitra dia fitiavana ihany koa, ary tia antsika rehetra (andininy androany). Nasehony izany tamin’ny nanirahany an’i Jesosy Zanany tetỳ an-tany. Jesosy dia teo anilan’Andriamanitra hatrizay hatrizay, Izy koa dia Andriamanitra mihitsy (Jaona 1:1). Nefa dia nanaiky ho tonga olona Izy, mba ho afaka hijaly sy ho faty eo amina hazofijaliana, rehefa avy nisolo toerana antsika, niaritra ny fitsaran’Andriamanitra. Araka izany, ny olona rehetra miaiky fa mpanota eo anatrehan’Andriamanitra, ary mino fa nosazina nisolo toerana azy Jesosy, dia manana ny fiainana mandrakizay. Voavela ny fahotan’izy ireo, ary antsoin’Andriamanitra hoe zanany izy ireo.
Inona no zavatra tsotra kokoa noho izany tokony hekena ? Tsy misy na inona na inona tokony hataontsika, afa-tsy ny miaiky fa mpanota isika ary mino fa Jesosy no namonjy antsika. Nefa dia maro ny mandà io famonjena io. Sarotra amintsika ny manaiky fa mpanota eo anatrehan’Andriamanitra isika ; dia toy izany koa, sarotra amintsika ny manaiky ny fitiavany. Angamba satria isika mahatsapa tena fa tokony hamaly izany ?
Nefa raha tsapako hoe hatraiza ny fitiavan’Andriamanitra ahy, raha saintsainiko tsara ny hazofijaliana nijalian’i Jesosy fatratra, mba hanomezany ahy ny fiainana mandrakizay, dia tsy afaka ny tsy hiraika aho, ary hanana dikany hafa ny fiainako. Tsy an-tery tsy akory no itiavana an’Andriamanitra ! „Fa ny fitiavan’i Kristy no manery anay (mamihina anay)… maty hamonjy ny olona rehetra Izy, mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona, fa ho an’Izay efa maty sy nitsangana hamonjy azy” (2 Korintiana 5:14-15). Eny, ndao hanaiky hotiavin’Andriamanitra !
(tapitra)