Alatsinainy 15 Marsa 2027

Lozan’izay milaza ny ratsy ho tsara ary ny tsara ho ratsy ! Izay manao ny maizina ho mavaza ary ny mazava ho maizina ! Izay manao ny mangidy ho mamy ary ny mamy ho mangidy ! Isaia 5:20

Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo. Lioka 2:11

 

Inona moa no atao hoe ota ? (1)

„Inona no atao raha tsy misy Andriamanitra ? … dia ho azo atao avokoa ny zavatra rehetra”, hoy i Dostoïevski. Ny vanimpotoana iainantsika dia nanilika ny fisainana hoe tsy maintsy hampamoahin’Andriamanitra isika, indray andro any. Noho izany dia tsy takatra tsara ary nolavina ny voankevitra hoe „ota”.

Ao an’eritreritry ny maro, io teny io dia mampahatsiaro ireo fahotana fito lazaina hoe lehibe, dia ny fahihirana, fahatezerana, fitsiriritana, hatendana, haitraitra, avonavona, hakamoana. Zavatra heverina ankehitriny ho tsy dia lehibe loatra. Ho an’ny hafa kosa, mifanohitra amin’izany, ny fahotana dia voafetra eo amin’ny zavatra atao izay sazin’ny fiarahamonina, toy ny halatra, ny herisetra, na ny vono olona.

Ny Baiboly dia tsy miresaka fahotana lehibe na fahotana kely. Nefa ambarany kosa fa ny hoe manota dia ny tsy mankatò an’Andriamanitra. Natoron’Andriamanitra izay andrasany amin’ny olona, tao amin’ny lalàna nomeny ny vahoakany. Hita ao, ohatra, fa tokony ho tia an’Andriamanitra amin’ny fontsika manontolo isika, ho tia ny olona rehetra toy ny itiavantsika ny tenantsika, ary na ny mandainga na mitsiriritra fotsiny izay tsy antsika aza, dia fahotana. Raha tsy nankatò singa iray monja isika dia mendrika hosazin’Andriamanitra.

Koa isika rehetra izany dia mpanota avokoa, ary mampivarahontsana ny fanambaran’Andriamanitra hoe : „Eny an-danitra Jehovah miondrika mijery ny zanak’olombelona, mba hizaha na misy hendry mitady an’Andriamanitra. Samy efa nivily izy rehetra … tsy misy manao ny tsara, na dia iray akory aza” (Salamo 14:2-3). Nefa Andriamanitra dia marina, ka tsy afaka mikimpy maso manoloana ny ota ; ary fitiavana ihany koa Izy, ka nahita fomba mahatalanjona mba hamonjeny antsika. Ho hitantsika rahampitso ny momba izany.