Alahady 14 Marsa 2027
Hoy ny devoly taminy (tamin’i Jesosy) : Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin’ny voninahiny… Koa raha hiankohoka eto anatrehako Ianao, dia ho Anao avokoa izany rehetra izany. Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe : Voasoratra hoe : „Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao”. Lioka 4:6-8
Satana dia efa naka fanahy an’i Jesosy tamin’ny „filan’ny nofo” (1 Jaona 2:16). Nefa naharesy Jesosy, tsy toy ny ray aman-drenintsika voalohany.
Izao ny devoly dia haka fanahy Azy amin’ny „filan’ny maso”. Ho amin’izany dia nentiny teny amina tendrombohitra avo Izy, ary nasehony Azy ny zavatra mahafinaritra mivelatra eo ambaniny. Tsy menatra akory i Satana nihambo fa nomena azy ireo rehetra ireo, ka azony ampiasaina araka izay tiany. Lainga izany, nefa tsy nasongadin’i Jesosy ! Tsy niady hevitra tamin’i Satana Izy, fa namaly azy hatrany amin’ny alalan’ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra irery ihany : „Voasoratra hoe”.
Tian’i Satana hiankohoka eo anatrehany Jesosy. Nino ny laingany i Adama sy Eva, fa tsy ny tenin’Andriamanitra, ka nametraka ny fahefan’ny devoly ho ambony noho ny fahefan’Andriamanitra. Tamin’izany izy ireo dia nanome azy, tamina fomba tsy voalaza miharihary, ny voninahitra tandrify an’Andriamanitra. Nanoloana voankazo iray tsara jerena sy naha te hihinana izy ireo, dia lavon’ny filan’ny maso. Naka fanahy an’i Jesosy i Satana, nampiseho Azy ny hatsaran’ny zavatra rehetra eto an-tany. Fantatr’i Jesosy fa handray ny tany manontolo Izy indray andro any ary hanjaka ao, amin’ny maha Mpanjaka ambony indrindra Azy (Salamo 2:8). Nefa tsy i Satana tsy akory no hanolotra Azy izany fanjakany izany, fa Andriamanitra ! Koa amin’ny fomba ahoana moa no hiankohofan’i Jesosy eo anoloan’i Satana ? Jesosy Izay nanokana ho an’Andriamanitra ny fiainany manontolo. Jesosy, Ilay Olona lavorary, dia manoa an’Andriamanitra irery ihany !
(hitohy amin’ny asabotsy)