Asabotsy 13 Marsa 2027
Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny ; ary dia ho nofo iray ihany ireo. Genesisy 2:24
Tsy misy tsiny ny lalànan’i Jehovah, mamelombelona ny fanahy. Salamo 19:7
Mahita ny fiainana miara-droan’ireo tovovavy namako eny amin’ny oniversite aho, ka mahatakatra hoe nahoana Andriamanitra no tsy mankasitraka ny firaisana ara-nofo ivelan’ny fanambadiana. Tsy te hampijaly antsika tsy akory Izy, fa te hiaro antsika.
Ny iray amin’ny namako dia misakaiza indray alina amin’olona maro, satria diso fanantenana amin’ireo tovolahy miala aminy avy hatrany rehefa avy eo. Ny iray hafa dia nahafantatra fa namitaka azy ilay tovolahy namany : zavatra tena nahiany mafy. Ny iray farany dia nisaraka tamin’ilay sakaiza niarahany ela, ka nisoratra anarana avy hatrany ao amina tambajotran-tserasera fifanenana, satria tsy afaka nihevitra ny hitoetra irery. Ireo tovovavy maratra rehetra ireo dia nanankina ny fahasambarany tamin’olona nandiso fanantenana azy, nony farany.
Mametraka ny fitsipika fototry ny fanambadiana Andriamanitra, mba hiarovany antsika tsy ho tafalatsaka ao amina toerana tsy maintsy hampijaly antsika, any am-parany. Marina fa maro ny fanambadiana ratsy fiafara, noho ny fitiavantenantsika. Nefa ny fanambadiana no sehatra fiarovana tian’Andriamanitra najoro, mba hananan’ny mpivady fahasambarana, omban’ny fifanoloran-tena, ny tsy fivadihana, ary ny fifankatiavana takin’izany.
Koa ndao àry hatoky an’Andriamanitra. Amin’ny fotoana maha zatovo, na aoriana kelin’izany aza, dia matetika sarotra ny miavaka tsy ho tahaka ny hafa, ny mitoetra ho tokan-tena mandra-pahafaty, nefa ny namantsika rehetra samy manana sakaiza. Mety hisy haneso na hanao tsinontsinona isika. Nefa Andriamanitra, Izay nahary antsika, dia te hanasoa antsika : „Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany” (Jeremia 29:11). Ndao hikatsaka ny fankasitrahany, fa tsy ny fankasitrahan’ny olona tahaka antsika !