Zoma 12 Marsa 2027
Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin’ny fo, tahaka ny ho an’ny Tompo, fa tsy ho an’olona. Kolosiana 3:23
Ny mpino tsirairay dia tokony haniry hanana fiainana marina sy mahitsy, fiainana manome haja an’Andriamanitra. Nefa ny tsiambaratelona fiainana ankasitrahin’Andriamanitra dia tsy ny fitandremana fitambarana fitsipika na fomba nolovaina, fa ny manana fifandraisana lalina amin’i Jesosy sy ny mikatsaka hanao ny zavatra rehetra ho Azy.
Raha manokan-tena ho an’olona iray isika, dia toy ny manao izany mivantana ho an’i Jesosy. Raha mamitaka olona isika, dia Jesosy koa no fitahintsika ! Ny fifandraisantsika olombelona izany dia fanamby avo lenta. Manome izao torolalana izao ny Baiboly : „Na inona na inona no ataonareo, na amin’ny teny, na amin’ny asa, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo izany rehetra izany, ka misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany” (Kolosiana 3:17).
Araka izany, mba hikatsahana ny fahamarinana sy ny fahitsiana ara-toe-panahy, omban’ny fanampian’Andriamanitra sy noho ny fitiavana Azy, ny kristiana dia miezaka ho mahitsy sy mahatoky hatrany, amin’ireo tsipirian’ny fiainana andavanandro. Tsy nilaza ve Jesosy hoe : „Izay mahatoky amin’ny kely indrindra dia mahatoky koa amin’ny be ; ary izay tsy marina amin’ny kely indrindra dia tsy marina koa amin’ny be” (Lioka 16:10) ?
Koa ndao hitandrina mba tsy hanombana araka ny fihevitsika ny atao hoe zava-dehibe na tsia. Tsy misy tsipiriany eo amin’ny fiainantsika ka tsy hisy dikany eo imason’Andriamanitra. Mifanohitra amin’izany aza, matetika ao amin’ireny zava-madinika ireny no tena ampisehoantsika fa mahatoky isika. „Na zovy na zovy no manome rano mangatsiaka, na dia eran’ny kapoaka ihany aza, hosotroin’ny anankiray amin’ireo madinika ireo… dia lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho very ny valim-pitiany” (Matio 10:42).