Alakamisy 11 Marsa 2027

Dinihinareo ny Soratra Masina… ireny no manambara Ahy (hoy Jesosy). Jaona 5:39

Efa maty Aho (hoy Jesosy), nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay sady manana ny fanalahidin’ny fahafatesana sy ny fiainan-tsy hita. Apokalypsy 1:18

 

Fifandraisana amin’Andriamanitra : velona Jesosy (2)

Tohin’ny fijoroan’i Leila ho vavolombelona.

„Mafy tamiko ny namaky ny Baiboly tamin’ny voalohany, nefa aho nanapa-kevitra hitozo sy hifoha hamaky andininy vitsivitsy isamaraina. Hoy aho anakampo : „Azo antoka fa hahazo valiny amin’ny fanontanianao ianao”.

Indray hariva, teo am-pandriana aho no nazava tampoka ny efitranoko, ary nisy onjam-pahazavana teo amboniko. Tao anaty fiadanam-po sy fahasambarana mbola tsy niainako hatramin’izay aho. Dia izao no tonga tao an-tsaiko : „Jesosy izao iainanao izao”. Ary teo ilay fanambarana. Tsy afaka nandà intsony aho fa Jesosy no fahamarinana, ary velona Izy. Nanomboka tamin’io hariva io aho dia liana fatratra namaky ny Baiboliko. Nandritra ny herintaona aho dia nanao fikarohana maro tao, ka nitombo ny finoako. Nahatakatra zavatra maro kokoa hatrany aho.

Nataon’ny Tompo tsapako koa ny toetra maha mpanota ahy, ka afaka nangataka famelan-keloka aho. Taorianan’ny fotoana fihibohana noho ny valanaretina aho dia nataon’ny Tompo Jesosy nahatakatra fa tokony hatao batisa. Koa raha vao nifarana ny fihibohana, ny zavatra voalohany nangatahiko taminy dia ny hifanenako amina kristiana afaka manao batisa ahy. Novaliny haingana dia haingana ny vavaka nataoko. Ny ampitso dia nisy fifanojoan-javatra tsy mampino, ka tafaresaka finday tamina ramatoa kristiana iray aho, noraisiny tany an-tranony, ary nentiny tany amin’ny fiangonany. Dia afaka niresaka tamin’ny pasitera aho, ary nanaiky izy hanao batisa ahy. Ny 19 jolay 2020 io andro io. Ankehitriny aho dia manana fifandraisana tena izy amin’ny Tompo Jesosy. Mahatalanjona indrindra.”

Leila