Alarobia 10 Marsa 2027

Izaho fahendrena … Tiako izay tia ahy ; ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy. Ohabolana 8:12, 17

Fa izay rehetra mangataka no mahazo ; ary izay mitady no mahita ; ary izay mandondòna no hovohana. Matio 7:8

 

Fifandraisana amin’Andriamanitra : notadiaviko izany (1)

„Avy amina ankohonana tsy mino aho. Izaho irery no mino an’Andriamanitra. Nametraka fanontaniana maro tamin’ny ray aman-dreniko aho, ary vetivety foana dia nahatakatra fa tsy afaka mamaly ahy izy ireo. Notehiriziko ela tato amiko ireo fanontaniako. Tena tsiambaratelo ho ahy manokana mihitsy.

Rehefa 20 taona tany ho any aho dia nanapa-kevitra hiandany amin’Andriamanitra, ary ny olona ao amin’ny fianakaviako hany miaina ny finoany dia ny renibeko avy amin’ny raiko, izay silamo. Tsy mahay mamaky teny na manoratra izy, ary nataony amin’ny fo avokoa ny zavatra rehetra. Naniry ny ho silamo lavorary aho, mba hanana fanantenana ny famonjena. Ireo ezaka nataoko, izay tsy hay nohazonina, dia niteraka tebiteby sy fanahiana betsaka tato amiko, hany ka rehefa nandeha teny ny taona, dia navelako ny resaka fivavahana.

Taona vitsivitsy tatỳ aoriana aho dia nahita horonantsary tao amin’ny YouTube, mampiseho vehivavy miresaka ny fifandraisany amin’i Jesosy sy ny fomba fiainany ny finoany, fisaintsainany ny Baiboly, fivavahany amin’Andriamanitra. Nanohina ahy mafy izany, satria tamin’io horonantsary io fotsiny dia hitako niharihary fa tena manana fifandraisana amin’Andriamanitra izy, ary izany no efa nokatsahiko hatrizay hatrizay. Ka hoy aho anakampo : hataoko ny nataony, saingy amin’ny Kôràny, fa tsy amina Baiboly.

Dia iny aho no naka indray ny Kôràny-ko, ary tojo andininy iray nilaza fa ny Filazantsara dia tondrozotram-pahazavana sy lalana mankamin’ny fahamarinana. Nanao izay nahazoako Baiboly aho, ary nanomboka namaky azy, kelikely tao amin’ny Testamenta Taloha, kelikely tao amin’ny Testamenta Vaovao. Tsaroako fa tamin’ny voalohany dia tsy nisy na inona na inona azoko izay novakiko.”

(hitohy)