Talata 9 Marsa 2027

Fa fahasoavana no namonjena anareo amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha. Efesiana 2:8-9

 

Ampio ny tenanao, dia hanampy anao Andriamanitra

Fomba fiteny fantatry ny maro izany, ary aseho an-tsary amina angano nosoratan’i La Fontaine, mitondra ny lohateny hoe „Ilay mpitondra sarety tafahitsoka anaty fotaka”. Manondro ankarihary ireo kamo sy ireo manoa an-jamba ny lahatra io fiteny io, mitaona azy ireo mba hitady vahaolana manoloana ny zava-tsarotra mihatra aminy, ary mba hifanolo-tanana fa tsy hiandry an-kalainana fidirana an-tsehatra mahagaga.

Io fiteny io dia fitsipi-pitondrantena mitaky fahaiza-mandanjalanja sy fampiharana eo amin’ny fiainana andavanandro.

Tandremo anefa, misy sehatra iray tsy afaka ampiharana io fiteny io, ary mamitaka ireo miezaka mampihatra azy, dia ny sehatry ny famonjena ny fanahy. Izy io tokoa mantsy dia toa milaza fa rehefa niezaka am-piniavana nanao izay azony atao ny olona, dia Andriamanitra no hameno ny banga.

Ny mifanohitra amin’izany anefa no marina. Ny ezaka ataon’ny olona mba hanana fahamarinana na fahitsiana, dia manakana azy ireo tsy hiantehitra amin’ny fahamarinana atolotr’Andriamanitra an’ireo rehetra mitoky aminy. Nefa tsy mahay manatona an’Andriamanitra ny olona, fa Izy kosa no nanatona antsika tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany. Nanakaiky antsika aoka izany Izy, ka nanjary olona tahaka antsika mihitsy, saingy tsy nanana ota. Izy, Izay marina tanteraka, dia niaritra ny famaizana sahaza ny olombelona noho ny haratsiam-pon’izy ireo. Jesosy dia maty, nohomboana teo amin’ny hazofijaliana, mba hanafaka ireo rehetra mino Azy amin’ny fanamelohana mendrika ny fahadisoan’izy ireo. Andriamanitra no nanao ny dingana voalohany, koa ny hany ataontsika dia ny manokatra ny fontsika hidirany, mba handray ny famonjena sy ny fiainana mandrakizay !