Alatsinainy 8 Marsa 2027
Jesosy … nentin’ny Fanahy tany an’efitra efapolo andro … ka nalain’ny devoly fanahy. Ary tsy nihinan-kanina akory Izy tamin’izany andro izany, ka rehefa tapitra izany, dia noana Izy. Ary hoy ny devoly taminy : Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, teneno io vato io mba ho tonga mofo. Lioka 4:1-3
Rehefa tsy nihinan-kanina efapolo andro sy efapolo alina Jesosy dia noana, satria tena olona tahaka antsika. Nomen’i Satana hevitra Izy hampiasa ny heriny mba hanova vato ho tonga mofo. Inona moa no maha ratsy izany ? hoy angamba isika. Nefa Jesosy namaly tamin’ny fitanisana ny Soratra Masina hoe : „Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra” (Matio 4:4). Io lahatsoratra io dia mampahatsiahy ny dian’ny vahoaka Israely tany an-taniefitra. Nitaraina hoe noana izy ireo, ka nandefasan’Andriamanitra mofo avy any an-danitra ho haniny (ny „mana”). Izany mofo izany, izay kisarisarin’ny tenin’Andriamanitra, dia sahaza ho an’izay nilain’izy ireo (jereo Eksodosy 16).
Noana Jesosy, marina izany, nefa tsy nitaraina Izy. Ary tamin’izany, tahaka ny tamin’ny fiainany manontolo, dia nitoky tamin’Andriamanitra Izy. Na dia afaka mampiasa ny heriny aza Izy hamaliana ireo filany, izay ara-drariny, dia nandà tsy hanao izany. Izy ve, ao aoriana kely, tsy hampianatra ny mpianany mba tsy hanahy ny amin’izay hohanina ? hampianatra ka hilaza hoe : „Fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany” (Matio 6:32-33) ? Ho an’ity Lehilahy lavorary ity dia manan-danja kokoa noho ny hanina ny zavatra momba an’Andriamanitra !
Adama sy Eva, napetraka tao amina saha mirobona, dia lavon’ny „filan’ny nofo” rehefa naka ny voan’ny hazo voarara, izay „tsara ho fihinana”. Mifanohitra tanteraka amin’i Jesosy, Izay tany an-taniefitra ary tsy nihinana na inona na inona, nefa nivoaka mpandresy tamin’izany fakam-panahy izany, satria niankina tamin’Andriamanitra tamin’ny zavatra rehetra !
(hitohy amin’ny alahady)