Alahady 7 Marsa 2027

Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo, sady mahafinaritra ny maso, ary hazo mahatsiriritra hampahahendry. Genesisy 3:6

Ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany. 1 Jaona 2:16

 

Ireo fakam-panahy telo nihatra tamin’i Jesosy (1)

Andriamanitra dia nametraka ny ray aman-drenintsika voalohany tao anaty saha mahafinaritra iray, izay tsy nisy nahory azy ireo. Saingy niseho tamina endrika biby ny devoly, mba haka fanahy azy ireo sy hanosika azy tsy hankatò. Nentaniny izy ireo hametraka fisalasalana momba izay nolazain’Andriamanitra, sy hiahiahy ny amin’ny hatsaram-pony amin’izy ireo.

Nanaiky ho resy lahatry ny laingan’ilay mpaka fanahy i Adama sy Eva. Hitan’izy ireo fa „tsara ho fihinana” ny hazo, „mahafinaritra ny maso”, „mahatsiriritra hampahahendry”. Naka tamin’ny voany izy ireo, ka tamin’izany dia nanaiky ho resin’ny singa telo mamaritra ny toetran’izao tontolo izao : „ny filan’ny nofo”, „ny filan’ny maso”, ary „ny rehaka momba izao fiainana izao” (Teny androany). Dia nitranga ny zava-doza : tafiditra teto amin’izao tontolo izao ny ota, ary niaraka taminy, ny fahafatesana (Romana 5:12). Nanomboka hatreo dia niharatsy kokoa hatrany ny tantaran’ny olona.

Nefa tsy nafoin’Andriamanitra ny olombelona, fa nataony sorona mihitsy ny Zanany, mba hamonjy azy ireo. Jesosy dia niseho amin’ny maha „Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao” Azy (Jaona 1:29). Nefa mba hanatanterahany izany, dia nilaina ny tsy nananany ota mihitsy ; raha tsy izany Izy dia ho very hasina, tsy ho afaka manatanteraka io asa famonjena io. Voaporofo ny halavorarin’i Jesosy, tamin’Izy nalain’ny devoly fanahy tany an-taniefitra nandritra ny efapolo andro. Tantarain’ireo filazantsara ny fakam-panahy telo farany, izay manana ny toetoetran’ireo fakam-panahy mpahazo ny olombelona rehetra, eto amin’ity tontolo ity. Ho hitantsika ao amin’ny andian-takila manaraka miresaka io lohahevitra io, ny fomba nandresen’i Jesosy ilay mpaka fanahy, mifanohitra tanteraka amin’i Adama sy Eva.

(hitohy rahampitso)