Asabotsy 6 Marsa 2027
Hoy Jesosy taminy : … Mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe : Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo. Dia tonga Maria Magdalena ka nilaza tamin’ny mpianatra hoe : Efa nahita ny Tompo aho ; sady izany teny izany no nolazainy taminy. Jaona 20:17-18
Taorianan’ny niovany fo ho an’i Jesosy Kristy, ny apostoly Paoly dia nahafantatra an’i Akoila sy Prisila, mpivady nanjary kristiana ihany koa, izay resahiny ao amin’ireo epistiliny (Romana 16:3 ; 1 Korintiana 16:19). Nifanena tany Korinto izy ireo, ary niara-niasa nanamboatra lay. Niraiki-po tamin’izy mivady i Paoly, ary toy izany koa ry zareo. Voamarika fa arakaraka ny trangan-javatra sy ny anjara asan’ny tsirairay, rehefa miresaka azy ireo i Paoly, dia ilay vehivavy no tononiny alohan’ilay lehilahy, na ilay lehilahy alohan’ilay vehivavy.
Na oviana na oviana Andriamanitra tsy mampifangaro ny lehilahy sy ny vehivavy, ary niniany noarìna ho samy hafa izy ireo, ao amin’ny vatany, ny fahaiza-manaony, ny fahatohinam-pony, ny fihetsehampony.
Misy olona milaza fa raisin’Andriamanitra ho ambany noho ny lehilahy ny vehivavy, nefa tsy izany no lazain’ny Baiboly. Samy nomen’Andriamanitra ny anjara asa sy andraikiny avy izy ireo, ao amin’ny fanambadiana, ao amin’ny ankohonana, ao amin’ny Fiangonana. Nisy vehivavy maro nanana anjara asa lehibe ao amin’ny tantara resahin’ny Baiboly, ary anokanan’Andriamanitra toerana voafantina izy ireo, ao amin’ny bokiny ! Ny fitoriana ny Filazantsara dia mifamatotra mandrakizay amin’ny fanehoam-pitsaohana nataon’i Maria tany Betania (Marka 14:9). Ary i Maria Magdalena no nanambara tamin’ny mpianatra ny nitsanganan’ny Kristy velona indray.
Misy olona hafa, maniry ny lehilahy sy ny vehivavy ho afaka mifanolo. Ny marina dia hoe mifameno izy ireo. Ny faniriana hanafoana ny fahasamihafana napetrak’Ilay Mpahary tam-pahendrena, dia fandavana tsy hisitraka ny fifandanjana mifamatotra amin’io fifamenoana io. Fifamenoana mitondra harena lehibe lavitra noho izay heverina ho azo ankehitriny amin’ny fiezahana handà izany.