Zoma 5 Marsa 2027
Fa rehefa niseho ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, Mpamonjy antsika, sy ny fitiavany ny olona, dia … araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika. Titosy 3:4-5
Isanandro dia raisin’ny haino aman-jery ho adidy ny manome antsika sary matroka maneho izao tontolo izao. Manoloana ireo fijaliana marobe dia takatra ny fisalasalan’ny olona sasany ny amin’ny hatsaram-pon’Andriamanitra na ny fisiany. Eny, amin’Andriamanitra dia fahatafintohinana ny ratsy, tsy Izy no niavian’ny ratsy.
Andriamanitra dia tsara fo, ary nanaporofo ny fitiavany. 2000 taona lasa izay dia nirahiny ny Zanany, Izay tonga olona, mba hiara-miaina amintsika. Fianakavia-mpanjaka manankarena sy mahery ve ve no nofidiny ? Tsia dia tsia : Jesosy dia teraka tahaka zaza tsotra tao amina ankohonana tsy dia manao ahoana tany Israely. Izy, Ilay Andriamanitra Tsitoha, dia niaina tao anaty fahantrana (2 Korintiana 8:9). Nanao asan-tanana Izy, asa-na mpandrafitra. Nitety ireo faritry ny Israely Izy, ka nahita ny fahantrantsika : kilema samihafa, aretina tsy hay sitranina nahavoa na dia ny ankizy aza, fisiana demonia… izay rehetra mampihoron-koditra eo amin’ny toetra maha olombelona. Nampionona Izy, nanasitrana, nanangana olona maty ho velona indray aza ; ary nataony izany, na dia teo aza ny fankahalana mpiara-belona taminy maro. Izany no fomba itenenan’Andriamanitra amintsika hoe : „Tsara Aho”. Mandraka ankehitriny Izy dia mbola miteny amin’ny tsirairay hoe : „Fantatro ny toejavatra iainanao. Avia atỳ amiko, fa tsara Aho ary tia anao”.
Io fitiavana io dia nasehon’i Jesosy hatramin’ny fahafatesana. Nijaly teo amin’ny hazofijaliana Izy, „ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra” (1 Petera 3:18). „Nitondra ny aretintsika tokoa Izy, sady nivesatra ny fahoriantsika… Ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy ; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika” (Isaia 53:4-5).