Alakamisy 4 Marsa 2027

Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon’ny zanak’olombelona. Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao, noho ny tsy nampisehoany izay antony amin’ny ataony ? Kanefa misy fanao iray itenenan’Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman’ny olona izany. Joba 33:12-14

Andriamanitra, Mpamonjy antsika… tia ny olona rehetra hovonjena. 1 Timoty 2:3-4

 

Raha misy Andriamanitra…

Manoloana ny loza voajanahary mitranga, ny famoretana, ny fitombon’ny ady, dia misy fiteny manelingelina, matetika miverina, hoe : „Raha misy tokoa Andriamanitra, dia tsy hanaiky izao fijaliana sy ratsy rehetra izao.” Maro ny olona mialoka ao ambadik’io fihevitra io, mba hialany amin’ny resaka momba ny fisian’Andriamanitra. Ahoana no fomba hamaliana an’izany ?

— Misy fijaliana izay maha tompon’andraikaitra tanteraka ny olona. Ohatra, ny ady dia vokatry ny sitrapo te hanjakazaka na hamaly faty. Loharanom-pijaliana hafa ihany koa ny fisaraham-panambadiana sy ny fisamatsamahan’ny fianakaviana, avy amina tsy fahombiazana eo amin’ny fifandraisan’ny samy olona sy tsy fahaizana miara-miaina.

— Misy koa fijaliana toa tsy hay hazavaina, mihatra amin’ny olona : loza tampoka, aretina, famoiza-malala, loza voajanahary… Matetika isika, manoloana zaza iray mijaly, dia mahatsapa tsy fahafaha-manao na inona na inona sy tsy rariny tena maharary.

Nefa ireny toejava-mitranga manokana ireny, izay mampanatrika antsika ny fahafatesana, dia mety hitaona antsika hanontany tena hoe : efa niteny tamintsika Andriamanitra tamin’ny fotoana samihafa teo amin’ny fiainantsika, ka rentsika ve Izy ? Raha manaiky hifandray aminy isika, dia hahita Andriamanitra tia antsika. Andriamanitra manana drafitra ho an’ny tsirairay, ho an’ity tany ity, ary ho an’ny mandrakizay. Andriamanitra naniraka an’i Jesosy Kristy Zanany mihitsy, mba ho faty hamonjy antsika sy hamela ireo fahadisoantsika. Andriamanitra te hiara-miaina amintsika ny toejavatra rehetra mitranga amin’ny fotoana sisa mbola hahavelomantsika.