Alarobia 3 Marsa 2027

Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy ; fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana. Ohabolana 15:1

Toho-tantely ny teny mahafinaritra, ka sady mamin’ny fanahy no mahatsara ny taolana. Ohabolana 16:24

 

Na dia teny iray monja aza…

Tamin’ny taona 2016 dia nisy lehilahy iray nampirehitra afo lehibe nandrava tany 2500 hekitara mahery, rehefa nanipy ny sisan-tsigarany tao amin’ny bozaka maina. Ianao angamba ho tafintohina amina fihetsika toy izany, nefa fantatrao ve fa ny tenintsika ihany koa dia mety hiteraka afo tena lehibe ?

Hoy ny Baiboly amintsika : „Ny lela, rantsana kely izy, kanefa mirehareha fatratra. Indro, ny fiavovon’ny antontan-kazo (ala lehibe) arehitry ny afo kely ! Ary afo ny lela” (Jakoba 3:5-6).

Impiry moa isika no mahavoaka fitsikerana kely heverintsika ho tsy misy vokany, na teny mandratra vokatry ny hatezerana, ka tsy mieritreritra ny mety ho vokatr’izany teny izany eo amin’ny olona miresaka amintsika. Tsy tsapantsika akory, fa samy mety handratra olona na ny lelantsika na ny totohondrintsika.

Mifanohitra amin’izany, ny teny mora ihany koa dia mety hitondra vokatra be lavitra noho izay nampoizintsika. Koa taomina isika hanao teny mampahery, feno fitiavana sy fahasoavana. Ndao hivavaka mba ho teny avy amin’Andriamanitra ny ataontsika, mba tsy hisy fitsikerana na fanaratsiana, fa ho teny marina, feno hamorampo, ary mampiorina.

Ndao hivavaka toy ny mpanjaka Davida hoe : „Jehovah ô, asio fiambenana eo anoloan’ny vavako ; ambeno ny varavaran’ny molotro”. „Aoka ny tenin’ny vavako sy ny fisainan’ny foko samy hankasitrahina eo imasonao, Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy” (Salamo 141:3 ; 19:14).