Talata 2 Marsa 2027
Dia hanefy ny sabany ho fangady ireny, ary ny lefony ho fanetezam-boaloboka ; ny firenena tsy hanainga sabatra hifamely na hianatra ady intsony. Isaia 2:4
Ny saina tsy miovaova dia harovanao amin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy. Isaia 26:3
Ao amin’ny zaridaina be mifanila amin’ny foiben-toeran’ny Firenena Mikambana (any New York, Etazonia) dia ahitana sary vongana lehilahy eo am-panefena sabatra hanjary angadin’omby. Io sanganasa io dia nipoitra mivantana avy tamin’ny andinin-tSoratra Masina androany, sanganasa manambara ny fanirian’ny olona hanorina vanimpotoana fandriampahalemana maneran-tany, amin’ny alalan’ny Firenena Mikambana, ilay fikambanana iraisam-pirenena naorina taorianan’ny ady lehibe roa mampivarahontsana tamin’ny taonjato faha-20. Indrisy anefa, fa ireo ezaka nataon’ny Firenena Mikambana dia tsy nahasakana ny fitombon’ny ady eto amin’ity planeta ity, miteraka fijaliana tsy misy fiafarany.
Ampianarin’ny Baiboly isika fa indray andro any Jesosy, Ilay antsoina hoe „Andrianan’ny fiadanana”, dia handray ny fitondrana izao tontolo izao ary hametraka fanjakana fahamarinana sy fiadanana haharitra 1000 taona (Isaia 9:5-6 ; Apokalypsy 20:4-6). Amin’izay ny fitaovam-piadiana vao ho foana, ary ny tany hahafantatra fiadanana maharitra.
Na dia mbola ho any aoriana aza ny fandriampahalemana maneran-tany, dieny ankehitriny Andriamanitra dia efa te hametraka ny fiadanana ao am-pontsika. Te hampiditra antsika ao amina fifandraisana feno fatokiana Azy Izy, Ilay Andriamanitra fiadanana. Nanomboka tamin’ny tsy nankatoavan’ny ray aman-drenintsika voalohany, tao an-tsaha Edena, dia nikomy tamin’Andriamanitra isika, azo lazaina mihitsy aza hoe miady aminy. Fa Jesosy kosa, tamin’„ny rany teo amin’ny hazofijaliana”, dia nanao fampihavanana (Kolosiana 1:20-22), ka vita fihavanana amin’Andriamanitra ireo izay mino Azy.
Iza no afaka manome antsika ny fiadanam-po ? Ny mpino dia mandray ny teny fampanantenan’i Jesosy hoe : „Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo” (Jaona 14:27). Koa taomina izy mba ho vavolombelon’ny Kristy, Izay mitondra fiadanana, taomina hiaina fihavanana „amin’ny olona rehetra” (Romana 12:18).