Alatsinainy 1 Marsa 2027

Ary rehefa … voarindrina ny varavaran’izay niangonan’ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe : Fiadanana ho anareo. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo. Jaona 20:19-20

 

Jesosy, eo mandrakariva amin’ny fotoana ilana izany…

Maro ny zavatra nolazaina momba an’i Jesosy… Andriamanitra hono Izy, tsara fo, be fitiavana, tsy mila tambiny… Nefa aiza moa izany Io Mpamonjy tena ilaiko mafy Io ?

Ndao dinihina kely ny trangan-javatra niainan’ireo mpianany : nihidy trano izy ireo, tahaka gadran’ny tahotr’izy ireo… no indro Jesosy niseho tampoka, nefa ny varavarana nihidy. Niseho tamin’ny fotoana nilana Azy Izy, nilaza teny tsara hoe : „Fiadanana ho anareo !” (andinin-tSoratra Masina androany). Ny vaovao mahafaly dia hoe afaka miaina toejavatra toy izany koa isika ankehitriny, mivavaka aminy mba hahatongavany eo amintsika, eo amin’izay toerana misy antsika sy tranga iainantsika.

Nisy roa lahy mpianatr’i Jesosy niaina izany tamina fisehon-javatra iray hafa. Nandeha izy ireo, nanalavitra ny toerana noheveriny fa namelany Azy maty. Nefa indro Izy nanatona azy roa lahy, ary nanontany ny anton’ny alahelony. Toy ny anatonany izay mila izany ankehitriny, ka anontaniany hoe : „Inona izato manahiran-tsaina sy mampalahelo anao ?” (jereo Lioka 24:17-18).

Tahatahaka izany koa ny nanjo an’i Maria, vehivavy azom-pahoriana. Teo anoloanan’ny fasana izy nieritreritra lalina, no teo Jesosy… ary niara-nitomany taminy ! (Jaona 11:35). Toy ny fiarahany ory ankehitriny amin’izay mamoy fo. Tsy voatery hanaisotra ny anton’ny fahoriana tsy akory Izy, nefa miara-mizaka izany. Ao amin’ireo zava-mitranga mahafinaritra eo amin’ny fiainana dia eo koa Izy, mba hahatonga ireo zava-mitranga ireo mbola hahatretrika kokoa. Araka izany, nasaina Izy hanatrika fampakarambady iray, dia nanaiky „hosahiranina” mba hanampy ny mpandahatra ny fanasana (jereo Jaona 2:1-11). Satria raha ny marina, dia tsy manahirana Azy mihitsy ny antsoina mba hanampy.

„Jesosy ô ! avia, jereo aho, eto ary izao ; atreho aho, mba misehoa amiko anie Ianao !”