Alahady 28 Febroary 2027
Izay manatitra fanati-pisaorana no manome voninahitra Ahy ; ary izay mitandrina ny làlany no hanehoako ny famonjen’Andriamanitra. Salamo 50:23
Taona vitsivitsy lasa izay, dia nisy vehivavy filoham-pirenena nanao veloma ny tafiky ny fireneny tamina lanonana ara-miaramila nakotrokotroka. Noredonina ny hira rodobe hoe „Ry Andriamanitra lehibe, midera Anao izahay” an’i Franz Ignaz (1768), ary avy eo nohiraina ny hoe „Mivavaka aho ho an’ny herin’ny fitiavana”, an’i Gerhard Tersteegen (1750).
Ireo hira roa ireo dia maneho zavatra lehibe lavitra mihoatra noho ny lanonam-pifanaovam-beloma. Hita any amina raki-kira maro izy ireo, ary mbola hiraina kristiana maro ankehitriny. Ireo hira ireo dia milaza ny halehiben’Andriamanitra, sy ny fitiavany nanjary hita maso tao amin’ny fiainan’i Jesosy sy ny fahafatesany.
Ao anatin’izao tontolo miha manalavitra kokoa hatrany an’Andriamanitra izao, dia afaka mifaly isika satria izany hira izany dia nanakoako tao anaty lanonana ara-panjakana, nivoriana olo-manankaja maro. Nefa ny halehiben’Andriamanitra, ary indrindra indrindra ny fitiavany, dia mba tokony hanosika antsika tsirairay hitsaoka Azy. Eny, tsy vitan’ny hoe lehibe Ilay Andriamanitra loharanon’izao tontolo rehetra izao, lehibe ao amin’ny herin’ny famoronany, fa tsy manam-petra ihany koa ao amin’ny fitiavany. Ho ahy, ho anao, ho ana lehilahy na vehivavy izay tsy mihevitra Azy akory aza angamba, ho an’ireo lehibe eo amin’izao tontolo izao sy ho an’ny olona tsotra, no nanolorany an’i Jesosy Kristy ho sorona. Nandika ny lalànany isika, nefa dia Ilay hany nankatò Azy mandrakariva indrindra no nomelohiny, nisolo toerana antsika. Afaka miaiky ny tsirairay fa mendrika hitsaohana Ilay Andriamanitra tahaka Azy. Ho amin’izany dia ampy ny mampihiratra ny maso, hijery ny fahariana mahatalanjona nataony, sy manokatra ny fo, hidiran’ny fitiavany mahatalanjona nasehony tao amin’i Jesosy !