Asabotsy 27 Febroary 2027
Eo amin’ny fonenany no ijereny (ijeren’Andriamanitra) ny mponina rehetra ambonin’ny tany —dia Izy Mpamorona ny fon’izy rehetra sy Mpamantatra ny asany rehetra. Salamo 33:14-15
Mamindra fo sy miantra Jehovah. Salamo 103:8
„Ilay pasitera touareg dia nanome ahy boky mitantara vehivavy pakistaney iray niova fo. Lafiny maro ao amin’io tantara io no mitovy amin’ny toerana misy ahy : ny tahotra ny fahafatesana, ny fanahiana hivarina any amin’ny helo ; nampitebiteby ahy koa izany, nefa ny Kôràny (Coran : ny boky masin’ny silamo) tsy afaka manome antoka ahy momba ny famonjena.
Fotoana fohy taorianan’izany aho dia nanonona tamin’ny feo mahery, tao anaty vavaka iray nataoko, ny anaran-tsoan’ny Tompo Jesosy Kristy. Dia nahatsapa ny tenako ho afaka tamina enta-mavesatra aho ; tsy haiko nohazavaina ny fiadanam-po sy fahatsiarovan-tena ho maivamaivana nameno ahy. Nahita ny fitiavan’ireo rahalahy sy anabaviko kristiana aho, ka tena nampahery ahy izany. Tatỳ aoriana kely aho dia natao batisa, ny 17 avrily 1988.
Nampijaly mafy ny fianakaviako ny niovako fo ho an’ny Kristy ; ratsy tamin’ny fiarahamonina ny fijery io fiovampoko io. Nijaly izy noho ny fitiavany ahy, satria nihevitra fa nanjary tsy mpivavaka aho, ka mety hivarina any amin’ny helo. Izany fijaliana izany dia nitarika azy ireo handoa vola be tany amin’ny mpisikidy, mba hanafahana ahy amin’ny fanagejan’ny finoana kristiana.
Tatỳ aoriana, tany Dakara aho dia nanoratra taratasy ho an’ny ray aman-dreniko, nilaza tamin’izy ireo hampitsahatra ireny fizahana avy amin’i Satana ireny, izay tsy misy ilàna azy, ka mampandany vola azy ireo tsy amin’antony. Tamin’ny fotoana nanaovany ireo fombafomba ireo indrindra no naharaisan’izy ireo ny taratasiko. Nampiasa saina ny zana-drahalahiko, izay namaky ilay taratasy tamin’ny ray aman-dreniko, io fifanojoam-potoana io. Ahoana tokoa moa no nahafahako nahafantatra izay mitranga any amin-drizareo ? nefa izaho any amin’ny 2800 km miala eo. Io dia toejavatra iray teo amin’ny fiainany, nitarika azy hitodika amin’ny Tompo. Toy izany no niantombohan’ny asan’ny Fanahy Masina tao amin’ny fianakaviako.”
Altanine