Zoma 26 Febroary 2027
Izay (Andriamanitra) tsy niaro ny Zanany lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra ? Romana 8:32
Nisy raharaha roa loha notsaraina tao amin’ny fitsarana, io maraina io. Voalohany : raharaha mavesatra sy mandreraka, mikasika lozam-piarakodia namoizana ny aina tovolahy iray 23 taona. Ny manaraka dia tovolahy mpihoa-pefy 23 taona ihany koa, mpangalatra mamerimberina heloka, no nentina hotsaraina. Nanazava izy fa dieny mbola kely dia efa napetraka tany amina toeram-pitaizana, ary tsy misy olona halehany rehefa hivoaka ny fonja izy. Nony nisintona ny mpitsara mba handinika ny fanapahan-kevitra horaisina, dia nanatona azy ny renin’ilay tovolahy matin’ny lozam-piarakodia. „Namoy ny zanako lahy mitovy taona aminao aho, hoy izy. Raha tianao, dia tongava any an-trano rehefa mivoaka ny fonja ianao. Homeko ny mpisolovava anao ny adiresiko”. Tsy voatanan’ilay tovolahy ny fihetsehampony, nahare izany tolotra feno antra izany, ka hoy izy niteny moramora : „Misaotra, tompoko”. Sambany angamba vao mba nisy olona nihevitra azy tam-pitiavana sy nanolotra fanampiana azy.
Izany ohatra mahafinaritra izany dia mampiseho izay nataon’Andriamanitra. Nirahiny ny Zanany ho tonga olona tetỳ an-tany, mba ho faty hisolo antsika. Ankehitriny dia atolony antsika ny famelany heloka sy ny fitiavany, alohan’ny handraisany antsika any amin’ny fanatrehany any an-danitra.
„Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy” (Romana 5:8).
„Endre ! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra” (1 Jaona 3:1).
Mandraka androany, Andriamanitra dia mbola miantso anao hanjary zanany, amin’ny fanekenao ny fanafahana atolony, noho ny nahafatesan’i Jesosy Kristy Zanany, nisolo antsika. Manatòna Azy !