Alakamisy 25 Febroary 2027
Hoy Jesosy taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana. Jaona 14:6
Iza indray no azo hovonjena ? Ary Jesosy … nanao taminy hoe : Tsy hain’ny olona izany, fa hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra. Matio 19:25-26
„Teraka tamin’ny taona 1963 (tany ho any) tany Ménaka, any avaratra-atsinanan’i Mali aho, tao amina fianakaviana touareg silamo mpiompy mpifindrafindra toerana. Nasaina namana kristiana iray aho, hanatrika fivoriana ara-Baiboly, ka nandeha nankany mba hanohitra ny kristiana, satria amiko dia ny Kôràny (Coran : ny boky masin’ny silamo) no fahamarinana. Io namana io dia niresaka tamiko ny amina Touareg iray any Tombouctou izay niova fo ka nanjary pasitera. Touareg tahaka ahy ve ? kristiana, ary ambonin’izany, pasitera ! Nikorontana ny saiko, ary nanjary nampisalasala ahy ny hoe fahamarinan’ny fivavahana silamo.
Nihevitra aho fa ny fivavahana silamo sy ny finoana kristiana dia samy nentin’ny olona. Ny olona anefa mety hampita ny fahamarinana, na ny lainga ihany koa. Saingy iza no afaka manaporofo ny fahamarinan’ny fivavahana, raha tsy ny mpamorona azy ? izany hoe Andriamanitra.
Koa nivavaka tato am-poko aho, nangataka an’Andriamanitra mba handefa atỳ amiko atỳ Ménaka ilay pasitera touareg : ho porofo izay, amiko, fa Jesosy Kristy no fahamarinana. Tsy misy mantsy fitaovam-pitaterana mora mampifandray ny 800 km anelanelan’i Tombouctou sy Ménaka. Andriamanitra izany izao no tokony hihetsika, izaho afaka mitsahatra ! Nefa tsy fantatro fa tsy misy tsy hain’Andriamanitra atao.
Tokony ho herinandro tatỳ aoriana dia nandeha namangy ilay namako kristiana aho. Tena gaga aho, nampahafantariny an’ilay vahininy, dia ilay pasitera touareg ! Teo dia nazava tamiko ny zavatra rehetra : Jesosy no fahamarinana, ary namaly ny vavaka nataoko Andriamanitra. Natahotra aho nihevitra izay ho vokatr’izany eo amin’ny fiainako, natahotra harian’ny fianakaviako sy ny mpiara-monina. Nanenina mihitsy aza aho, nanao ilay vavaka ! Nefa niaraka tamin’izany dia tsapako ny halehiben’Andriamanitra sy ny maha kely sy bitika ahy. Taona 1987 tamin’izay.”
(hitohy)