Alarobia 24 Febroary 2027

Ampy ho anao ny fahasoavako ; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena. 2 Korintiana 12:9

Andriamanitra … mahalala ny fo. Asan’ny Apostoly 15:8

 

Mitoky amin’ny fahasoavan’Andriamanitra

Annie, vehivavy mpino iray efa zokiolona, dia monina any amina akanina beantitra. Ankehitriny izy dia mahatsiaro kivy, mieritreritra ny fiainany ; manenina Izy tsy nanokana fotoana firy ho an’Andriamanitra. Nefa Andriamanitra nanome azy zavatra marobe : ny famonjena, fiainana miadana… Izao izy dia mahatsapa tena ho tsy misy ilàna azy, ary manenina tsy nampiasa tsara kokoa ny fotoanany hanompoana an’Andriamanitra, fony izy natanjaka kokoa.

Tsy misy fepetra ny fitiavan’Andriamanitra. Izy no nitia antsika mialoha, te hanome maimaimpoana ho antsika ny famonjena, ka tsy mitaky antsika ho mendrika handray izany, amin’ny fanaovana asa soa.

Na izany aza anefa, ampirisihin’Andriamanitra isika hanolotra ny tenantsika ho „fanatitra velona” (Romana 12:1). Rehefa mahatsapa ny fitiavany antsika isika, dia voataona hanokan-tena ho Azy, ary homeny ny fikasana sy ny hery hanaovantsika izay asa tiany hankinina amintsika.

Nefa rehefa tonga ny fahanterana, dia mihena hery isika ka mihevi-tena ho tsy ilaina. Mety hamely antsika ireo fanenenana sy ny fahamelohana : ny fiainantsika ve nampiasaintsika araka izay nitiavan’Andriamanitra azy ? Ndao àry hahatsiaro ny andinin-tSoratra Masina voatanisa etsy ambony. Na osa aza isika, na mitsotra eo ambony farafara-na hôpitaly, dia afaka mivavaka amin’Andriamanitra, afaka midera Azy sy miandry ny fiverenan’i Jesosy Kristy. Ndao hanangona ny herintsika ka haneho amin’Andriamanitra ny fitsaohantsika Azy araka ny maha Izy Azy, sy noho ny famonjena atolony antsika tamin’ny nanomezany ny Zanany Lahitokana. Ndao hibanjina ny Tompo Jesosy, Izay hiverina tsy ho ela mba handray antsika ho eo anilany. Ary aoka hotsarovantsika fa izay ataontsika ho Azy dia hovalina avokoa ! (Matio 10:41-42).