Talata 23 Febroary 2027

Ianao kosa, raha mivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin’ny Rainao, Izay ao amin’ny mangingina ; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ny mangingina, no hamaly anao. Matio 6:6

 

Resaka amin’ny Tompo

— Tompo ô, ahoana no hanidiana ny trano ? Maro tsy hita isa ny feo any ivelany !

— „Rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin’ny Rainao, Izay ao amin’ny mangingina ; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ny mangingina, no hamaly anao” (Teny androany).

— Tsy hay atao izany, noho ny zava-manahirana rehetra mandalo ao an-dohako, tahaka horonantsary !

— „Aza manahy na inona na inona ; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra” (Filipiana 4:6).

— Nefa raha izay, ry Tompo, dia inona no hijanona ao an-tsaiko ?

— „Ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo, ao amin’i Kristy Jesosy” (Filipiana 4:7).

— Tompo ô, reraka loatra aho izao hariva izao ; tsy hitako izay holazaina Anao.

— „Ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika : fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika ; fa ny Fanahy no mifona amin’ny fitarainana tsy azo tononina” (Romana 8:26).

— Tompo ô, mba tena tiako ny hivavaka aminao, saingy tsy manam-potoana aho.

— „Katsaho aloha ny fanjakany (ny fanjakan’ny Rainareo, Izay any an-danitra) sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany” (Matio 6:33).

— Tsy manam-pifaliana aho manatrika Anao, tsy vitako ny mampifantoka ny saiko aminao.

„Katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ny itoeran’i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan’Andriamanitra. Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany” (Kolosiana 3:1-2).