Alatsinainy 22 Febroary 2027
Ary ren’Andriamanitra ny feon’ny zaza, dia niantso an’i Hagara Ilay Anjelin’Andriamanitra tany an-danitra ka nanao taminy hoe : Inona izato manjo anao, ry Hagara ? aza matahotra, fa efa ren’Andriamanitra ny feon’ny zaza, eo amin’ny itoerany. Genesisy 21:17
Hagara nanao ny anaran’i Jehovah, Izay niteny taminy, hoe : Ianao no Andriamanitra Izay mahita. Genesisy 16:13
Angamba ianao reraky ny alina tapatapaka, na nihakely aina taoriana-na fiterahana sarotra. Tianao ny zanakao, ary mitaky fijerena betsaka aoka izany avy aminao, hany ianao ka toa mahatsapa ho tsy misy fotoana kely akory mba ho anao. Miezaka ianao manome izay ilainy, nefa tsy vitanao foana ny mampitony ny tomaniny. Te hanome azy ny tsara indrindra ianao, ary tsy fantatrao mandrakariva hoe tsara ve ireo safidinao…
Eny, tsarovy fa Andriamanitra dia maheno ny feon’ny zanakao, eo amin’izay misy azy. Amin’ireny fotoana ireny Izy dia te hikarakara io zaza lalainao io, ary koa te haneho ny tenany aminao. Angamba ianao efa mahafantatra an’Andriamanitra ; nefa hianatra hahafantatra Azy mbola akaiky kokoa ianao, hianatra hatoky Azy, satria mahatsapa ny tenanao ho tsy mahomby foana ; fa Izy kosa mahefa mandrakariva. Raha tsy mahafantatra Azy ianao, dia mety ho amin’ny alalan’izao fanananao anaka izao no tiany hisehoana aminao. Maneho ny tenany Ilay Andriamanitra velona, nefa ho amin’izany dia ilainy isika hahita ny tenantsika hoe kely, mba hahita Azy ao amin’ny halehibeny.
Dia afaka miato kely ianao, mitaraina aminy, ary hiverina mikarakara ny zanakao amina hery nohavaozina, satria eo ampelatanana Lehibe noho ianao ny zanakao.