Alahady 21 Febroary 2027

Ary ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny filazantsara izay notoriko taminareo sy noraisinareo … Kristy maty noho ny fahotantsika, araka ny Soratra Masina ; dia nalevina, ary natsangana tamin’ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina. 1 Korintiana 15:1-4

Ny filazantsara … [dia] herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany Romana 1:16

 

Ny hafatry ny Filazantsara

Ny teny hoe „Filazantsara” dia midika hoe Vaovao Mahafaly. Vaovao milaza ny famelan-keloka noho ny nahafatesan’i Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra, sy ny nitsanganany velona indray. Vaovao maneho ny drafitra famonjena (na fanafahana) tian’Andriamanitra ho azon’ny olona rehetra. Vaovao ambara amintsika ao amin’ny Baiboly, ary mirakitra zava-dehibe maro.

Mpanota avokoa ny olona rehetra, ary tian’Andriamanitra (Jaona 3:16). Ny ota dia izay rehetra eritreritra na asa tsy araka izay marina amin’Andriamanitra, ary „fahafatesana no tambin’ny ota” (Romana 6:23). Mba haha voavonjy sy voavela heloka, dia tsy maintsy miaiky fa meloka manoloana io Andriamanitra masina io, Izay tia antsika.

Jesosy dia maty teo amin’ny hazofijaliana, mba hanefa ny trosantsika amin’Andriamanitra noho ireo fahotantsika. Izy dia niaina fiainana tsy misy fahotana, ka Izy irery no hany afaka misolo toerana antsika, miaritra ny famaizan’Andriamanitra ny ota.

Nitsangana velona indray Jesosy. Izany no porofon’ny herin’Andriamanitra : Jesosy, Izay nahary ny aina, dia manana fahefana hanolotra izany sy haka azy indray (Jaona 10:18).

Ny famonjena atolotr’i Jesosy dia fanafahana maimaimpoana, izay tsy hay raisina afa-tsy amin’ny alalan’ny finoana. Tsy misy asa takina, hahazoana famonjena. Ny tsy maintsy atao dia ny mino am-pahatsorana izay lazain’Andriamanitra, manaiky an-kitsimpo ny didim-pitsarany momba ny toetrantsika ara-toe-panahy aman-tsaina, ary mandray io famonjena maimaimpoana io, famonjena tsy miorina afa-tsy amin’ny fahafatesan’i Jesosy Kristy sy ny fitsanganany velona indray.

„Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao” (Romana 10:9).