Asabotsy 20 Febroary 2027
Hoy izy (ilay jiolahy) : Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao Ianao. Dia hoy Jesosy taminy : Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa. Lioka 23:42-43
Nifanena tamina vehivavy iray mpanakanto aho, mpanakanto nasaina fiangonana iray nanao sary hosodoko ny zava-nitranga tamin’ny nanomboana an’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana. Lasa tany amin’ny tantara raketin’ireo filazantsara ny amin’izany ny resakay. Na dia nilaza ny tenany ho mpino aza io olona io, dia sarotra taminy ny nanaiky fa ilay jiolahy nibebaka dia nahazo ny famelan-keloka sy fampanantenan’i Jesosy, hoe hiaraka aminy (jereo Lioka 23:33-43). Nefa ny fihetsik’io jiolahy voaheloka ho faty io, izay nitodika tamin’i Jesosy, dia maneho amin’ny fomba lavorary indrindra ny atao hoe fahasoavan’Andriamanitra tsy misy fepetra, ho an’olona mahafantatra ny tenany hoe meloka.
— Ny faharesen-dahatra hoe mpanota : Naniratsira an’i Jesosy ny iray tamin’ireo jiolahy, nefa novalin’ilay faharoa tamin’ny fiekeny ho meloka. Izany no porofo-na fibebahana tena izy sy ny fiovam-po ao anaty.
— Ny fanambarana ny amin’i Jesosy Kristy : Dia nambaran’io jiolahy faharoa io fa tsy manan-tsiny sy masina Jesosy, Izay noheveriny ho hany marina tamin’izy telo lahy voaheloka. Nanaiky Azy ho Mpanjaka izy, sady nangataka ny famindrampony, ary niteny hoe : „Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao Ianao”. Resy lahatra izany izy fa hatsangan’Andriamanitra ho velona indray.
— Ny fampanantenan’i Jesosy : „Lazaiko aminao marina tokoa : Anio no hihaonanao amiko any Paradisa”. Teo amin’ny fara fotoanan’ny fiainany fadiranovana ilay jiolahy no nandray io fanambarana io : vantany vao maty ny mpino, dia ampidirina eo amin’ny fanatrehan’ny Kristy ny fanahiny.
Raha mahatsapa ny havesatry ny fahotantsika isika, dia ndao hitoky amin’ny famindrampon’Andriamanitra, toy ny nataon’io jiolahy io, izay novonjen’i Jesosy tamin’ny fotoana farany.