Zoma 19 Febroary 2027
Raha mitsangana mivavaka ianareo, ka misy olona anananareo alahelo, dia mamelà ny helony, mba havelan’ny Rainareo Izay any an-danitra kosa ny helokareo. Marka 11:25
Aoka samy … hifamela heloka, tahaka ny namelan’Andriamanitra ny helokareo ao amin’i Kristy. Efesiana 4:32
Iray amin’ireo hataka ao anatin’ny „Rainay Izay any an-danitra” ny hoe : „Mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay” (Matio 6:12). Teboka lehibe ao amin’io vavaka io izany, ary io hataka io irery aza no hazavain’i Jesosy : „Fa raha mamela ny fahadisoan’ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra. Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ny olona ianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo” (Matio 6:14-15).
Nisy olona nanao ratsy antsika, maharary izany. Ny ratsy sasany dia mamela holatra lalina sy mampijaly. Tsakotsakointsika ao anaty ny fangidiana mikiky antsika. Toa sarotra aoka izany ny lalan’ny famelan-keloka. Nefa dia taomin’ny Baiboly isika hizotra amin’io lalana io (Teny faharoa androany). Ny apostoly Paoly dia nampianatra izany ana mpino manana ny ain’ny Kristy, ka afaka mamela heloka. Koa rehefa mivavaka eo anatrehan’Andriamanitra namela ny trosa lehiben’ny fahotantsika isika, ary „misy olona anananansika alahelo” (teny voalohany androany), dia ndao hamela izany koa, ao am-pontsika. Fepetra iray izany, hahazoantsika valiny amin’ny vavaka ataontsika. Ambonin’izany, raha mandà tsy hamela heloka isika, dia „tsy hamela ny fahadisoantsika” koa Andriamanitra, izany hoe ho tapaka ny fifandraisantsika aminy ary hiato ny fifaliantsika, na dia mbola zanany hatrany aza isika.
Ndao hangataka mba hanana hery hamelana heloka, amin’ny fontsika manontolo. Hamaly antsika Andriamanitra.