Alakamisy 18 Febroary 2027
Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo. Matio 5:44
„Nivavaka tamin’Andriamanitra hatrany aho, nefa naniry mafy mba hanomezan’ilay komandà sombiny bitika tamin’ilay mofomamy, mba hijereko izany sy hahatsiarovako ny endrik’ireo zanako fotsiny ! Indrisy anefa, nohanin’ilay lehilahy avokoa izy rehetra, ary nanipazany teny hafa aho, handratrana sy hanesoana ahy.
— Komandà, hoy aho taminy, mahantra ianao ! Izaho dia mihevitra ny tenako ho manankarena, satria mino an’Andriamanitra, ary Jesosy Kristy dia namonjy ahy tamin’ny fahotako.
Nony nahare izany teny izany izy, dia nirehitra mafy ny hatezerany, ka nanompanompa ahy izy ary nandroaka ahy hiverina any amin’ny toerana nisy ahy.
Rehefa nifarana ny ady, dia nikaroka ilay nampijaly ahy aho. Manamboninahitra maro no notifirina, fa izy kosa afaka nandositra. Nikaroka azy aho nandritra ny folo taona, ka farany dia nahita ny adiresiny. Niaraka tamina kristiana iray aho no nankany aminy, ary niteny taminy hoe : — Tadidinao ve ny krismasy 1944 ? Izaho ilay laharana faha-175 !
Nivalo arika izy, ary tera-kovitra. Natahotra ny vadiny. — Tonga ve ianao … hamaly faty ?
— Folo taona no nikarohako anao !
Nosokafako ny fonosana nentiko, ary navoakako tao ny mofomamy lehibe iray… Nasaiko nikarakara kafe ho anay ny vadiny. Avy eo dia niara-nihinana ilay mofomamy izahay. Rakotry ny ranomaso ny tavan’ilay lehilahy, ary nangataka famelana tamiko izy ; dia hoy aho taminy : — Namela anao aho noho ny amin’i Jesosy Kristy, tamin’ny ianao nampijaly ahy.
Roa taona teo ho eo tatỳ aoriana dia nametraka ny fatokiany tamin’ny Tompo Jesosy Kristy io lehilahy io sy ny vadiny, ary nanjary kristiana feno fifaliana.”
(tapitra)