Alarobia 17 Febroary 2027
Raha notevatevaina Izy (Jesosy), dia tsy mba nanevateva ; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ny Mpitsara marina. 1 Petera 2:23
„Tamin’ny taona 1944 aho dia nohelohina fitsarana miaramila alemana ho faty. Nefa satria aho manambady sy nanan-janaka efatra, dia novaina ho fanagadrana tany amina toby manokana ny saziko. Sivy volana tatỳ aoriana aho dia tsy nilanja afa-tsy 39 kilao, ary rakotra ferifery ny vatantenako manontolo. Tapaka ny sandriko havia, ary navela ho sitrana tsy nisy fitsaboana. Ny harivan’ny krismasy dia nampanantsoin’ny komandà aho. Teo anoloan’ny sakafoben’alina mialoha ny krismasy no nahitako azy. Notereny aho hanao jery atrika, mandritra ny fotoana nisakafoany. Fomba fampijaliana ahy izany, satria aho niresaka an’i Jesosy Kristy tamin’ireo namako niara-nijaly tamiko. Nibitsibitsika tao am-poko ny feon’i Satana hoe :
— Mbola mino ny Salamo 23 ihany ve ianao : „Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho” ?
Nivavaka aho, ary niteny tam-patokiana tanteraka hoe : — Eny, mino izany aho !
Nisy miaramila nanatitra kafe eran’ny kaopy sy mofomamy. Nony avy teo dia nitodika tamiko ny komandà ary niteny hoe :
— Tena mahay mahandro mihitsy ny vadin’ialahy. Nandritra ny fito volana izao izy no nandefa fonosana mofomamy ho an’ialahy hatrany, ary tena ankafiziko ilay izy !
Tsy ampy hanina ny vadiko sy ireo zanako efatra, ary voatery naka tamin’ny tahirin-tsakafo keliny izy, hamboarana mofomamy. Io lehilahy io izany dia mitavana ny hanina tokony hohanin’ireo zanako ! Dia niteny tamiko indray i Satana :
— Ankahalao izy ! Ankahalao ! Ozony !
Nefa mbola nivavaka tamin’Andriamanitra indray aho, ary tsy nahatsapa fankahalana kely akory tao am-poko.”
(hitohy rahampitso)