Talata 16 Febroary 2027
Jehovah… Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra. Salamo 103:2, 3
Fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra, ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika. Romana 6:23
Jesosy „nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly” (Asa 10:38). Tsy nisy nahasakana Azy na fahoriana, na aretina, na kilema. Tsy hoe nanatsara fotsiny ny toe-batan’ireo marary nanatona Azy Izy, fa nanasitrana azy ireo tanteraka ihany koa. Nirahiny ny mpianany hilaza tamin’i Jaona Mpanao batisa ny hafatra hoe : „Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa ; diovina ny boka, ary malady ny marenina ; atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara” (Matio 11:5).
Nanasitrana ny aretina ara-batana tahaka izany Jesosy, nefa mahavita manasitrana antsika ihany koa amina aretina tsy hay sitranina, mahafaty, izay tahaka ny habokana, ka mikiky ny zanak’olombelona, dia ny ota, izay ao anatintsika tsirairay tsy ankanavaka, ary manakana antsika tsy hanana fifandraisana amin’Ilay Andriamanitra masina sy marina. Tsy manatsaratsara ny toetran’ny olombelona mpanota Jesosy. Omen’Andriamanitra fiainam-baovao, fiainana mandrakizay, ny olona mino fa nanonitra ireo fahotany Jesosy, teo amin’ny hazofijaliana. Voavonjy tsy iverenana izy : voavonjy ho mandrakizay. Tanteraka (Lavorary) „ho mandrakizay” no fahitan’Andriamanitra azy (Hebreo 10:14). Tonga olona vaovao izy, tonga zanak’Andriamanitra ; Andriamanitra no Rainy.
Tahaka izany ny fahefan’i Jesosy Kristy, ary tahaka izany ny fitiavany. Na iza isika na iza, Andriamanitra dia afaka mamela sy te hamela izay rehetra tsy fahamarinantsika (fahotantsika). Zavatra tokana no tsy hahazoako ny famonjeny, dia ny fandavako tsy handray izany. Nefa anio Jesosy dia manolotra ho antsika ny fiainana mandrakizay, fanomezana lehibe indrindra amin’ny fahagagana rehetra, izay Izy tenany no nanefa ny tambiny.