Alatsinainy 15 Febroary 2027
Mba hahaizanareo … hahafantatra tsara izay sakany sy lavany ary haavony sy halaliny, ary hahalala ny fitiavan’i Kristy, izay mihoatra noho ny fahalalana, mba hamenoana anareo ho amin’ny fahafenoan’Andriamanitra rehetra. Efesiana 3:18-19
Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Matio 10:30
Amin’ny matematika (kajy, marika), raha zaraina isa voafetra, na dia faran’izay lehibe aza, „ilay isa tsy voafetra”, dia mitoetra hatrany ho „ilay isa tsy voafetra”. Ao amin’ny sehatry ny ara-batana, heverontsika ny torapasika iray misy tara-masoandro, ary feno mpiala sasatra marobe. Samy manararaotra feno ny masoandro ny tsirairay ; tsy hihena ny tara-masoandro ho an’ny hafa, na dia miampy iray aza ny mpiala sasatra eo !
Tahaka izany ny fitiavan’Andriamanitra : tsy misy fetra. Na marobe tsy takatry ny saina aza ny isan’ny olona, dia tsy voafetra io fitiavany io, ho an’ny olona tsirairay. Ny isambatanolona, na iza izy na iza, dia fantatr’Andriamanitra sy tiany, toy ny hoe izy irery no eo. Tsy voafetra ny halehiben’Andriamanitra, ka hainy jerena amin’ny fifantohany manontolo ny olona tsirairay noarìny, toy ny hoe izy io irery no noarìny. Mitovy mandrakariva ny tara-masoandro ho ahy sy ho an’ny olona eo akaikiko. Ny hany ezaka ilaiko atao, mba hahazoako ny hafanany, dia ny mitoetra eo ambany tarany. Tsy hahatonga ny masoandro hamiratra kokoa, na ny fahamendrehako na ireo asa ataoko.
Rehefa niresaka momba an’i Jesosy Mpamonjiny ny apostoly Paoly, dia tsy nihambahamba niteny hoe : „Ny Zanak’Andriamanitra… efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2:20). Raha mino ny Zanak’Andriamanitra aho, dia mahafantatra fa nanolotra ny tenany hamonjy ahy koa Izy. Araka izany, na maro tsy tambo hisaina aza isika eto an-tany, dia liana ny amiko manokana Andriamanitra, tokana aman-tany aho, aminy. Ho ahy, ho anao, ho an’ny tsirairay, tsy misy fepetra, no nanomezany ny Zanany Lahitokana sy malalany.