Alahady 14 Febroary 2027

Jesosy… naharitra ny hazofijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra Izy. Hebreo 12:2

Haleloia ! Fa ny Tompo Andriamanitsika, dia ny Tsitoha, no Mpanjaka. Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Azy. Apokalypsy 19:6-7

 

Antom-pifaliana lehibe efatra (4)

Any an-danitra miaraka amin’i Jesosy Io antom-pifaliana lehibe io dia fifaliana mbola ho avy. Tsy ho ela Jesosy dia ho avy haka ho eo anilany ny mpino rehetra, izay navotany lafo aoka izany, tamin’ny niaretany ny fijaliana sy ny fahafatesana teo amin’ny hazofijaliana, noho „ny fifaliana napetraka teo anoloany”. Eny, Jesosy dia nanaiky hijaly satria nanana teo anoloany ny fifaliana tsy hita lany, mihoatra noho ny fifaliana hafa rehetra, ho vokatry ny sorona nataony. Ankehitriny, efa vita ny zava-drehetra, efa lasa ireo fijaliana sy ny fahafatesana. Mitoetra eo anoloany, sy eo anoloantsika, io fifaliana lehibe io, izay mbola ho avy, ateraky ny fihaonana any an-danitra. Dia ho hitantsika mifanatrika ny Mpamonjintsika, hiaraka aminy mandrakariva isika, ary hanana fahasambarana lavorary sy mandrakizay. Jesosy, Izay notsiratsiraina sy nolavina, dia hiditra ao amin’ny fanjakany, ary araka ny fahasoavany tsy hita lany, dia tiany isika hanana anjara amin’ny voninahiny sy ny fifaliany. Eny, ny fon’Ilay Andriamanitsika dia feno fifaliana ao amin’ny voariny, ao amin’ny nahaterahan’ny Mpamonjy, ao amin’ny famonjena atolony ho an’ny olona rehetra, ary ao amin’ny voninahiny ho avy. „Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany, hery sy hafaliana no ao amin’ny fitoerany” (1 Tantara 16:27). Ho Azy anie ny voninahitra ! Endre ! fifaliana sy fahasambarana any an-danitra ! Rehefa tonga haka toerana Eo anilan’i Jesosy ny mpino rehetra, Sambatra mandrakizay, mandritra ilay andro tsy hifarana, Ka hihira ny fitiavany malala-po, Ny fahasoavany mahatalanjona. (tapitra)