Asabotsy 13 Febroary 2027

Ny Ray dia tia anareo. Jaona 16:27

Fa fantatry ny Rainareo izay tokony ho anareo, raha tsy mbola mangataka aminy aza ianareo. Matio 6:8

 

Ray any an-danitra

Ny marainan’ny Paska dia nitsangana velona indray Jesosy. Maria Magdalena no olona voalohany nisehoany. Nomeny hafatra mahatalanjona izy, hoe : „Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo” (Jaona 20:17). Nanomboka hatreo, ireo rehetra mino ny lanjan’ny asa famonjena nataon’ny Kristy dia antsoina hoe „zanak’Andriamanitra” (Jaona 1:12). Eny, sambatra ny mpino, manana fifandraisana velona amin’Ilay Ray any an-danitra, mbamin’izay aterak’io fifandraisana io, dia fatokiana, fanajana, fitiavana, fiombonana.

Ray toy inona moa no ahy, any an-danitra ! Liana ny amiko Izy, mijery ireo olana madinika atrehiko isanandro, ary koa ireo safidy lehibe ataoko eo amin’ny fiainana, mijery ireo zava-manahirana ahy amin’ny ara-batana sy ireo filako lalina ara-pitiavana. Mamaly ireny am-pitiavana Izy. Henointsika ny tenin’i Jesosy : „Aza manahy ianareo ka manao hoe : Inona no hohaninay ? na : Inona no hosotroinay ? … Fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany” (Matio 6:31-34).

Manoloana fampanantenana tahaka izany, nahoana isika no dia matetika mitebiteby sy sahiran-tsaina, na voahozongozona, rehefa tsy tanteraka ny fikasantsika ? Ndao hatoky tanteraka mandrakariva Ilay Raintsika any an-danitra. Ndao hametraka am-bavaka aminy ireo fanontaniantsika. Mahafantatra antsika tanteraka Izy, ary mahalala tsara izay sahaza antsika. Mety hamela sakana eny amin’ny lalantsika Izy, mba hahafantarantsika bebe kokoa ny fitiavany, satria Izy te „hanisy soa anao any am-parany” (Deoteronomia 8:16).